Toera

Avy amin'i Wikipedia

I Toera na Andriamilafikarivo dia mpanjakan' i Menabe, izay maty nandritra ny ady nifavaovan' ny Sakalavan' i Menabe tamin' ny tafika frantsay.

Mbola kely loatra ny mpanjaka Toera raha maty tamin' ny taona 1858 i Taragny Vignany rainy, ka ny andriambavy Narova, anabavin-drainy no niantoka ny fitondrana. Tsy nanan-janaka ilay andriambavy ka nesorin' ny vahoaka tamin' ny taona 1860 noho ny fifanarahany tamin' i Frantsa amin' ny fanaovana prôtektôrata ny fanjakana. Nonina tao Ambiky ny mpanjaka Toera hatramin' ny 30 Aogositra 1897 izay namonoana azy.

Nandritra ny fanafihan' ny Frantsay an' i Madagasikara dia nampiray ny heriny ny mpanjakan' i Menabe. Tamin' ny 14 Aogositra 1897 sy 30 Aogositra 1897 no nifanehatra tamin' ny miaramila frantsay teny Anosimena sy Ambiky ireo mpitarika an' i Menabe 100 niaraka tamin' ny miaramila 10 000 nirongo basy. Ny mpanjaka Toera dia novonoina niaraka tamin' ny mpitari-tafika sy ny andriana maro. Araka ny lovantsofina dia Sakalava 5 000 no maty tamin' io alina io noho ny firaisana tsikombakomban' i Léo Samat, mpivarotra frantsay fatidrà sady vinantolahin' ny mpanjaka Toera mihitsy. Izy no nitarika ny Frantsay ho amin' ity toerana ity. Tsy nilamina anefa i Menabe raha tsy tamin' ny taona 1900.