Thomas Lubanga

Avy amin'i Wikipedia

I Thomas Lubanga Dyilo dia mpanao heloka bevava an' ady voaheloka avy any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ary olona voalohany nomelohin' ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena (International Criminal Court – ICC na Cour pénale internationale -- CPI). Teraka tamin' ny 29 Desambra 1960 izy. Izy no nanangana sy nitarika ny antoko Union des patriotes congolais (UPC) izay tohanan' i Ogandà sy i Roanda. Tamin' ny Septambra 2002 dia nosoloiny anarana hoe Union des patriotes congolais/Réconciliation et paix (UPC/RP) ilay antoko. Mpandray anjara fototra tamin' ny ady tao Ituri izy (1999–2007). Voampanga ho nanitsakitsaka ny zon' olombelona goavana ny mpikomy teo ambany fahefany, anisan' izany ny fandripahana foko, ny vono olona, ​​ny fampijaliana, ny fanolanana, ny fanapahana amin' ny vatan' ny olona, ary ny fanerena ny ankizy hanao miaramila.

Tamin' ny 17 Marsa 2006, i Lubanga no voasambotra voalohany tamin' ny didy navoakan' ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena. Ny fitsarana azy -- noho ny heloka bevava amin' ny ady, izay nanaovany fanentanana sy fampidirana ankizy latsaky ny dimy ambin' ny folo taona hanao miaramila, ary ny fampiasana azy ireo handray anjara mavitrika amin' ny ady -- dia nanomboka tamin' ny 26 Janoary 2009, ary tamin' ny 14 Marsa 2012 dia hita izy fa meloka ary niatrika fanamelohana an-tranomaizina izay mety hahatratra hatramin' ny 30 taona. Tamin' ny 10 Jolay 2012, ny Antenimieram-pitsarana Voalohany, ao amin' ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena, dia nanameloka an' i Lubanga higadra 14 taona an-tranomaizina, ary nanome baiko ihany koa fa ny fotoana nanombohan' i  Lubanga niatrika ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena tamin' ny taona 2006 ka hatramin' ny andro fanamelohana dia esorina amin' ny fe-potoana 14 taona, izay midika fa handany 6 taona latsaka an-tranomaizina izy.