Aller au contenu

Tesalia

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny faritra misy an' i Tesalia

I Tesalia dia faritra ara-tantara ao Grisia na Gresy izay eo afovoan' ity firenena ity, ao atsimon' i Makedônia ary atsinanan' i Epirôsy. Hodidinina lemaka voahodidina tendrombohitra, anisan' izany ny Tendrombohitra Ôlimpôsy any avaratra. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Θεσσαλία / Thessalía. Izy io no mandrafitra ny ampahany be amin' ny periferian' i Tesalia ankehitriny, izay ahitana ny atsinanan' i Epirôsy sy ampahany amin' ny Nosy Spôradesy (Σποράδες / Sporades).