Tenrikiô

Avy amin'i Wikipedia
Famantaran' ny tenrikiô

Ny tenrikiô (japôney:天理 / tenrikyō) na tenrisma dia fivavahana vaovao japôney izay sady tsy mônôteista tanteraka no tsy panteista, avy amin' ny fampianaran' ny vehivavy niaina tamin' ny taonjato faha-19 antsoina hoe Nakayama Miki, fantatry ny mpanara-dia azy amin' ny hoe "Oyasama".

Foiben' ny fivavahana tenrikiô

Ny mpanaraka ny tenrikiô dia mino fa Andriamanitry ny Fiaviana, Andriamanitra ao amin' ny Fahamarinana, fantatra amin' ny anarana maro, anisan' izany ny hoe "Tsukihi", "Tenri-Ō-no-Mikoto" ary "Oyagamisama" (Andriamanitra Ray aman-dreny) dia nanambara fikasan' andriamanitra tamin' ny alalan' i Miki Nakayama amin' ny maha Fitoerana Masin' Andriamanitra ary amin' ny ampahany kely kokoa ny anjara asan' ny Honseki Izo Iburi sy ny mpitarika maro hafa. Ny tanjon' ny tenrikiô eto amin' izao tontolo izao dia ny hampianatra sy hampiroborobo ny "Fiainana feno hafaliana", izay ambolena amin' ny alalan' ny asa fiantrana sy asa fahatsiarovan-tena tanteraka antsoina hoe hinokishin.

Tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21, ny hetsika lehibe ataon' ny tenrikiô dia tanterahina ao amin' ny Foiben' ny Fiangonana tenrikiô (Tenri, Nara, Japàna), izay manohana fiangonana miisa 16 833 an-toerana ao Japàna, ny fananganana sy fikojakojana ny oyasato-yakata ary ireo fikambanam-pandaminana samihafa mifantoka amin' ny vondrom-piarahamonina. Manana mpanaraka miisa 1,75 tapitrisa any Japàna ity fivavahana ity ary tombanana ho 2 tapitrisa mahery eran-tany.