Aller au contenu

Tapetaka

Avy amin'i Wikipedia
Tapetaka

Ny tapetaka dia karazana zavamaniry maromaro ao amin' ny fianakaviana Aponogetonaceae. Atao amin' ny anarana siantifika hoe Aponogeton fenestralis na Aponogeton madagascariensis. Zavamaniry anaty rano manana ravina malefaka makarakatra, toa voahetihety.

Zavamaniry misy vodiny toy ny an' ny tongolo ny tapetaka. Ny volana Janoary ka hatramin' ny Marsa ny fe-potoana ialany sasatra.

Rano madio mangarahara, tsy misy poti-javatra mitsingevana, no tiany aniriana. Tsy tokony ho mafana loatra izany rano izany: mety aminy ny mari-pana eo ambanin' ny 25° C sy ny PH somary asidra. Tsara kokoa ho azy ny rano somary mikoriana sy ny tsy fisian' ny ahidrano. Ny raviny marefo dia manana endrika harato, izay mety hahatratra 55 sm ny lavany ary 16 sm ny sakany. Mety hihoatra ny 100 sm ny halavan' ny felam-boniny, fa fohy kokoa rehefa mitombo ao anaty akoaariôma. Ny vondrom-boniny dia misy babiny roa na efatra eo amin' ny 10 sm ny halavany ary rakotra voninkazo fotsy na volomparasy.

Ao amin' ny kolontsaina malagasy dia matetika izy ireny no atao ody famosaviana atao hoe "ody fandika".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]