Lembalemban' i Golan

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tany avon'i Golàna)
Lembalemban' i Golan

Ny Lembalemban' i Golan na Havoanan' i Golan, indraindray antsoina hoe Golan dia lembalemba any Azia, eo atsimon' ny Tendrombohitra Hermon, avaratra-atsinanan' ny Farihin' i Tiberiada ary avaratr' i Yarmouk, eo amin' ny sisin-tany manelanelana an' i Israely, i Jôrdania, i Siria ary i Libàna. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe الجولان / al-Jūlān, fa amin' ny teny hebreo kosa dia גולן / Golan.


Ny Lembelemban' i Golan no misy ny loharano lehibe indrindra amin' ny famatsiana rano ho an' ny Farihin' i Tiberiasy sy ny onin' i Jordana. Malaza amin' ny fambolena sy ny famokarana voaloboka izy io. Ny isan' ny mponina ao aminy dia 52 000 eo ho eo amin' ny velaran-tany mirefy 1 800 km2.

Ny Lembamemban' i Golan dia fari-tany siriana vobodo nanomboka tamin' ny 9 Jona 1967, nandritra ny Ady Enina Andro, nampidirin' ny governemanta israeliana ho ao amin' ny tanim-pireneny tamin' ny alalan' ny Lalànan' ny Lembalemban' i Golan nolanîn' ny Knesset (parlemanta israeliana) tamin' ny 14 Desambra 1981 ary lasa zana-distrika ao anatin' ny Distrika Avaratra. Tsy eken' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fanakambanana an' ity faritra ity ao amin' ny tanim-pirenen' i Israely, izay heveriny fa fari-tany siriana voabodo.

Ity fanakambanana ity dia heverin’ ny Fehinkevitra laharana faha-497 tamin' ny 17 Desambra 1981 an' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana, ho "foana sy tsy misy fiantraikany ara-dalàna eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena". Ny lalàna israeliana tamin' ny 14 Desambra 1981 ankatoavin' ny firenena tokana ihany, i Etazonia, hatramin' ny nanaovan' ny filoha Donald Trump fanambaràna momba izany tamin' ny 25 Marsa 2019.

Hatramin' ny nahazoan' i Israely an' ilay fari-tany dia nisy fivoarana ara-demôgrafia lehibe i Golan; Isiraeliana maro no nanorim-ponenana ao, nandritra ny fanorenenana vohitra, zanatany, kibbutz na moshav izay matetika naorina avy amin' ny fonenan' ny Nahal (fanafohezana ny teny hebreo hoe נוער חלוצי לוחם / Noar Halutzi Lohem, "Tanora mpiady mpisava lalana") izay tonga tao tamin' ny faran' ny taona 1967 na ny fiandohan' ny taona 1968.

Tamin' ny taona 2022, i Golan voabodo dia fonenan' ny Israeliana maherin' ny 32 000 sy Droza 22 000 eo ho eo. Ny Havoanan' i Golan dia ahitana faritra stratejika tena manan-danja eo amin' ny tontolon' ny Ady Israeliana-Arabo. Ny toerana misy azy dia manerinerina manoloana an' i Galilea (Israely) sy ny Lemak' i Damaskôsy (Siria). Izy io koa no mifehy ny ankamaroan' ny loharano mamatsy ny Farihin' i Tiberiasy sy ny ony Jordana. Ny tangoron-tanàna be mponina indrindra dia ny an' i Droza ao Majdal Shams.