Tantara ny Andriana eto Madagasikara
Apparence
Ny Tantara ny Andriana eto Madagasikara (ankehitriny: Tantaran'ny Andriana eto Madagasikara) dia bokin'ny lovantsofina tao amin'ny Fanjakan'Imerina, izay nagonin'ny mompera François Callet sy navoakany teo anelanelan'ny taona 1878 ary 1881. Avy amin'ny bokin'ny mompera F. Callet ny ankamaroan'ireo zavatra fantatra mikasika ny mpanjakan'Imerina. Ny Tantara ny Andriana dia ny loharano ifotoran' izay mandinika ny tantaran'Imerina.