Tahan' ny tsy fananana asa

Avy amin'i Wikipedia
Tahan' ny tsy fananana asa tamin' ny taona 2021

Ny tahan' ny tsy fananana asa dia ny isan-jaton' ny olona ao anatin' ny mponina afaka miasa nefa tsy an' asa. Ny mponina afaka miasa dia ny mponina mahatratra ny taonan' ny olona tokony hiasa na efa miasa na maniry hiasa.

Ny olona tsy an' asa dia olona tsy manana asa ary mitady asa. Ny famaritana ny tahan' ny tsy fananana asa dia mety miovaova isaky ny firenena, noho izany dia tsy mety ny fampitahana ny tahan' ny tsy fananana asa ôfisialy isaky ny firenena tsy misy fiheverana ny amin' ny famartany an' izany. Ny famaritana ny tahan' ny tsy fananana asa araka ny nofaritan' ny Birao Iraisam-Pirenena momba ny Asa (Bureau international du travail na BIT) dia famaritana ekena fa iharan' ny tsy fitoviana kelin' ny fandikana izany. Ny sampan-draharaha sasany, toy ny Organisation de coopération et de développement économiques (OECD), dia manisa ny tahan' ny tsy fananana asa narindra ka ahafahana manao fampitahana iraisam-pirenena.

Ny tahan' ny tsy fananana asa dia kajina any amin' ny firenena samihafa amin' ny fampiasana ny fanadihadiana momba ny asa.

Ny tahan' ny tsy fananana asa dia antontan' isa ara-toekarena ampiasain' ny haino aman-jery betsaka hanehoana ny toekaren' ny firenena iray. Ny tahan' ny asa, izay mandinika ny fitsinjarana ny mponina eo amin' ny olona afaka miasa sy ny tsy afaka miasa, dia maneho mazava kokoa ny fampiasana ny olona manana hery hiasa ao amin' ny firenena iray.