Sunan ibn Majah

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sunan Ibn Mājah (arabo: سُنن ابن ماجه) dia iray amin' ireo fanangonana hadita enina lehibe (Kutub al-Sittah). Ity sunan ity dia nosoratan' i Ibn Majah (teraka tamin' ny taona 824, ary maty tamin' ny taona 887). Ahitana hadita miisa 4 341 voatsinjara amin' ny boky (kutub) miisa 32 ary mizara ho toko (abwāb) miisa 1 500 izy io. Misy hadita 1 329 eo ho eo no tsy hita afa-tsy ao, fa tsy ao amin' ireo asasoratra kanônika dimy hafa. Manodidina ny 20 amin' ireo lovantsofina voarakitra ao no nambara ho sandoka tatỳ aoriana; toy ny momba ny fahamendrehan' ny tsirairay, ny fokom-pirenena na tanàna, anisan' izany i Qazvin izay tanàna niavian' i Ibn Majah.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]