Aller au contenu

Sorona biby

Avy amin'i Wikipedia
Fanaovana sorona biby mandritra ny Eid al-Adha (silamo)

Ny sorona biby dia famonoana ara-pombafomba sy fanaovana fanatitra biby, matetika ao anatin' ny fombafomba ara-pivavahana na mba hampitoniana ny fahatezeran' ny andriamanitra na hihazonana sitraka avy amin' ny andriamanitra. Fahita nanerana an’ i Eorôpa sy tany Atsinanana Akaiky tamin' ny Andro Taloha ny fanaovana sorona biby izay tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny nielezan’ ny kristianisma tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha, ary mbola mitohy any amin' ny kolontsaina na fivavahana sasany ankehitriny. Tsy fahita firy ny sorona olombelona, ​​amin' izay nisy azy.

Mety hatao sorona manontolo na amin' ny ampahany ihany ny biby atao fanatitra; mihinana ny ankamaroan' ny ampahany azo hanina amin' ny sorona ary mandoro ny ambiny hatao fanatitra, amin' ny andro firavoravoana ny kolontsaina sasany, toy ny Grika taloha sy ankehiriny. Mandoro ny fanatitra biby manontolo kosa ny hafa, izany no antsoina hoe sorona dorana na fanatitra dorana. Amin' ny ankapobeny, ny biby tsara indrindra na ny ampahany tsara indrindra amin' ny biby no atolotra ho fanatitra.

Tokony hiavaka amin' ny fomba amam-panao ara-pivavahana izay amonoana biby hatao sakafo hohanina ny fanaovana sorona biby amin' ny ankapobeny.

Nandritra ny Revôlisiôna Neôlitika dia nanomboka niala avy amin' ny kolontsain' ny mpihaza ho amin' ny kolontsain' ny mpamboly sy mpiompy ny olombelona tany am-boalohany, izany dia nahatonga ny fielezan' ny famolahana biby hompiana. Ao amin' ny teôria iray aseho ao amin' ny Homo Necans dia nilaza i Walter Burkert, manam-pahaizana momba ny fedrà, fa mety nivoatra ho fanohizana ny fombafomba atao amin' ny fihazana tamin' ny Andro Taloha ny sorona biby fiompy, satria nasolo ny biby any anaty ala mba hahazoana sakafo ny biby fiompy.