Hankany amin'ny vontoatiny

Sorohitra

Avy amin'i Wikipedia
Sorohitra

Ny sorohitra na iboria dia vorona fahita any an-tsaha, manana halava eo anelanelan' ny 15 sy 20 sm, mitsindroka eny amin' ny arabe, ao amin' ny fianakaviana Alaudidae. Eremopterix hova (Mirafra hova taloha) ny anarany ara-tsiansa. Vorona tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny sorohitra. Matetika ny anaran' ny sorohitra dia ampiasaina amin' ny ohabolana sy fomba fiteny malagasy hanehoana hevitra sy lalànam-piarahamonina samihafa mifanentana amin' ny kolontsaina malagasy.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Mirefy 13 sm eo ho eo ny sorohitra, izay vorona manana volo manja amin' ny ankapobeny ary tsy miavaka amin' ny endrika ivelany ny lahy sy ny vavy. Manja tanora misoritsoritra manja antitra ny lohany.

Ny fitsinjaràna sy ny toeram-ponenany

[hanova | hanova ny fango]

Tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny sorohitra izay miparitaka manerana ny Nosy. Eo anelanelan' ny 0 m sy 2 500 m ny haabo misy ny toeram-ponenany. Mandeha matetika eny amin' ny hivoka be ahitra sy hivoka misy ala ity vorona ity. Hita eny amin' ny lalan-kely sy eny amin' ny arabe ary eny amin' ny sisiny maina amin' ny farihy sy amin' ny renirano lehibe koa izy io.

Ny sakafony

[hanova | hanova ny fango]

Mihinana vihim-boa sy bibikely Orthoptera (valala, angely, sns) ny sorohitra.

Ny tranony

[hanova | hanova ny fango]

Ny akanin' ny sorohitra dia manana endrika kaopy. Bozaka mifampiditra tsara no mandrafitra azy. Mipetraka amin' ny tany ao anaty tangorom-bozaka na ao amin' ny lavaka anaty tany. Roa ny atodiny izay miloko fotsy misy pentina manja sy volondavenona, mirefy 20,6 x 15 mm. Saika nanerana ny taona ny fanamboarany ny akaniny.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fandalinana filôjenetika nataon' i Alström sy ny namany (2013) dia nitarka fanavaozana tanteraka teo amin' ny famaritana ny fianakaviana Alaudidae. Vokatr' izany, ny International Ornithological Congress (2014) dia mamindra ity karazana (Mirafra hova taloha) ity ho amin' ny vondron-karazana Eremopterix.

Eo amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Ela namandripandrihana ka nahazo sorohitra? sorohitra vilam-bava.
  • Sorohitra manala vintana: ny olona alako fa izaho alako kokoa!
  • Lozai-manana anaka, toa sorohitra: tenenina alina vao lanim-biby, fofoina halaina lasan' olona.
  • Papelika an-kady, sorohitra an-tanety: tsipazako ny voa mahagaga ka sady gaga no talanjona.
  • Raha sorohitra niaraha-nahita, ka mangala-misary dia tsy mety.
  • Sorohitra, ka torahan-tsy ho hanina.
  • Sorohitra latsaka an' ala, ka adaladala fanidina.
  • Sorohitra may trano, tsintsina vaky vilany: voin-kava mahatratra.
  • Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany.
  • Torahin-tsy ho hanina tahaka ny sorohitra ambony fasana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]