Hankany amin'ny vontoatiny

Songosongo

Avy amin'i Wikipedia
Songosongo

Ny songosongo dia zavamaniry dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae, izay miseho amin' ny endrika kirihitra manana taho fano tsilo, maniry mandavan-taona, izay manana haavo mety mahatratra 1,5 m, sady misy ditiny mandronono. Euphorbia milii no anarany ana-tsiansa.

Misy voniny mandavan-taona mena, fotsy, volon-daoranjy, na mavo izy io. Mety mahatratra 4 sm ny tsilo eny aminy.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny Malagasy eny ambanivohitra dia fanao fefim-boly izy io. Itsaboana ny aretina angatra sy ny tsy fahalevonan-kanina ny fitanehana azy. Itsaboana ny mony sy anamboarana dity fisamborana vorona ranony. Amin' ny teny malagasy dia atao hoe somana sy somo koa ny songosongo.

Voaporofo fa famonoana sifotra mahomby ity zavamaniry ity sady fitaovana voajanahary amin' ny fifehezana an' io biby io. Ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (OMS) dia nanoro hevitra ny fampiasana Euphorbia milii amin' ny fampihenana isa ny sifotra. Aretina avy amin' ny katsentsitra anaty ranomamy entin' ny sifotra mantsy ny takilodrano na bilariziôzy. Ny zavatra azo avy amin' ny songonsongo dia ampiasaina mba hifehezana ny habetsahan' ny sifotra mba ho fiarovana amin' io katsentsitra io (kankandio na sokoraty).

Fiaviany sy toerana aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Avy any amin' ny faritra maina any amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara (Androy sy Anosy) io zavamaniry io izay mifanaraka amin' ny toetany mafana sy maina any. Any amin' ny faritra manana toetany antonony dia atao haingon-tanàna izy.

Kinova ao aminy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Euphorbia milii dia karazan-javamaniry miovaova, ary kinovany maro efa voafaritra; ny sasany amin' ireo dia raisin' ny mpanoratra sasany ho karazana miavaka. Ny Euphorbia milii var. splendens (syn. Euphorbia splendens) no heverina ho fiseho ara-batan' ny andriamanitra fara tampony ao amin' ny batoisma, fivavahan' ny vitsy anisa arahin' ny foko Bodo any India Atsinanana sy any Nepaly.

Indreto ny kinova ao amin' ity karazana zavamaniry ity:

  • Euphorbia milii var. bevilaniensis (Croizat) Ursch & Leandri 1955
  • Euphorbia milii var. hislopii (N.E.Br.) Ursch & Leandri 1955 (syn. E. hislopii)
  • Euphorbia milii var. imperatae (Leandri) Ursch & Leandri 1955
  • Euphorbia milii var. longifolia Rauh 1967
  • Euphorbia milii var. milii
  • Euphorbia milii var. roseana Marn.-Lap. 1962
  • Euphorbia milii var. splendens (Bojer ex Hook.) Ursch & Leandri 1955
  • Euphorbia milii var. tananarivae (Leandri) Ursch & Leandri 1955
  • Euphorbia milii var. tenuispina Rauh & Razaf. 1991
  • Euphorbia milii var. tulearensis Ursch & Leandri 1955
  • Euphorbia milii var. vulcanii (Leandri) Ursch & Leandri 1955

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]