Aller au contenu

Sonchus oleaceus

Avy amin'i Wikipedia
Sonchus oleraceus

Ny Sonchus oleraceus dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny vondron-karazana Sonchus sy ny fianakaviana Asteraceae. Teratany any Eorôpa, any Afrika Avaratra ary any Afovoany Atsinanana io karazana io ary efa nampidirina tany amin' ny firenena hafa rehetra maneran-tany. Maniry amin' ny tany kotra eny an-tsaha, amin' ny zaridaina, amin' ny korontam-bato, amin' ny tany lao, amoron-dalana an-tanàna na ivelan' ny tanàna ity zavamaniry ity. Ny raviny dia azo hanina manta na masaka. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe beroberoka, nefa tsy io ihany no atan' ny Malagasy hoe beroberoka. Misy koa ny miantso azy hoe anamboraka, beroberobazaha, beroberokamboa, beroberokondrilahy na majajay.