Hankany amin'ny vontoatiny

Sonchus arvensis

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Sonchus arvencis)
Sonchus arvensis

Ny Sonchus arvensis dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Asteraceae, teratany any amin' ny faritra manana toetany antonony any Eorazia.

Taksônômia

[hanova | hanova ny fango]

Anarana hafa

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny anarana ara-tsiansa hafa ahafantarana ny araka ny Catalogue of Life (14 juin 2015):

  • Hieracium arvense (L.) Scop.
  • Sonchus decorus
  • Sonchus hispidus Gilib.
  • Sonchus ketzkhovelii Schchian
  • Sonchus vulgaris Rouy

Zana-karazana sy ovan-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny zana-karazan' ny Sonchus arvensis araka ny The Plant List (14 Jona 2015):

  • Sonchus arvensis subsp. humilis (N.I.Orlova) Tzvelev
  • Sonchus arvensis subsp. uliginosus (M.Bieb.) Nyman

Indreto ny ovan-karazan' ny Sonchus arvensis araka ny The Plant List (14 juin 2015): Tropicos (14 Jona 2015):

  • Sonchus arvensis var. arvensis
  • Sonchus arvensis var. glaber Haines
  • Sonchus arvensis var. glabrescens Günther, Grab. & Wimm.
  • Sonchus arvensis var. laevipes Boiss.
  • Sonchus arvensis var. maritimus Wahlenb.
  • Sonchus arvensis var. shumovichii B. Boivin
  • Sonchus arvensis var. uliginosus (M. Bieb.) Trautv.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Kisary maneho ny Sonchus arvensis

Ny Sonchus arvensis dia ahitra maharitra taona maro izay mitombo taranaka indrindra amin' ny alalan' ny fomba fiterahana tsy amin' ny alalan' ny voany fa amin' ny alalan' ny fakany mandady ambanin' ny tany na taranja. Mitsangana mahitsy ny fitomboany ary mety hahatratra haavo eo anelanelan' ny 50 sm sy 1,5 m. Araka ny fanasokajian' i Raunkiær momba ny endri-piainan' ny zavamaniry dia sokajiana ho jeôfita izy io satria ahitra maharitra manana fakany mandady ambanin' ny tany.

Misy ranoka fotsy toy ny ronono (lateksa) ny ao amin' ny zavamaniry manontolo, izay mivoaka rehefa tapahina na vaky ny tahony na ny raviny. Izany toetra mampiavaka azy izany dia manakana ny mety hisian' ny fampifangaroana azy amin' ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Carduus sy Cynara ary ny Cirsium (izay misy tsilo). Mahalana no ahitana azy amin' ny dingana maha zana-kazo, satria miteraka amin' ny alalan' ny fipoiran' ny tsimoka avy amin' ny fakany no tena fomba fihamaroany.

Ravin' ny Sonchus arvensis

Miforona manodidina ny ravina eo amin' ny fototry ny Sonchus arvensis. Tsy misy fizaràna lalina izy ireo na misy ihany fa marivo, ka ireo nifnify eo amin' ny sisiny dia mitodika mankany amin' ny foto-dravina. Misy tsilo nefa tsy manindrona sy malama ary mizara toy ny volom-borona ireo ravina ireo saingy vitsy ny fizaràny sady mielanelana tsara. Ny ravina eo amin' ny faritra antenatenany amin' ny tahony kosa dia mamihina ny taho, sady manana sofiny kely boribory mipoitra eo amin' ny fotony.

Vondrom-bonin' ny Sonchus arvensis

Mivondrona ho loha-boninkazo vitsivitsy manana tangozany lava sy mirindra toy ny elo fisaka ny vony mavo eny amin' ny Sonchus arvensis. Feno volo henjana sy fihary madinika ny tangozany sy ny rafitra miaro ny fototry ny vony.

Sonchus arvensis

Ny voan' ny Sonchus arvensis dia karazana voa maina tsy misokatra (izay amantarana manokana ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Asteraceae), izay miloko manja antitra rehefa matoy, sady manana endrika lavalava miendrika atody ary misy ketronketrona mitsivalana.

Fakan' ny Sonchus arvensis

Mandady any abanin' ny tany sady miteraka zanany ny fakan' ny .

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Tsy misy poizina ho an' ny olombelona ny Sonchus arvensis, ary azo hanina avokoa na ny raviny na ny fakany. Tsara raha maka ny raviny mbola tanora, ary azo hanina manta na nahadroina toy ny ravina epinara. Somary mangidy kely ny tsirony ary tsara raha esorina ny tsilo madinika eo amin' ny sisiny. Ahitana sira mineraly ny raviny sady be vitaminina C (47 mg isaky ny 100 g raha mbola vaovao). Mahatratra 2 % amin' ny lanjany rehefa maina ny tahan' ny prôteinina ao aminy. Azo hanina avy nandrahoina koa ny tahony, toy ny fomba fihinanana ny asiperiza (Asparagus). Azo ampiasaina ho solon-kafe ny fakan' ny Sonchus arvensis nendasina, toy ny herokeroka (Cichorium intybus) ihany.

Fiompiana tantely

[hanova | hanova ny fango]
Vonin' ny Sonchus arvensis idiran' ny tantely

Zavamaniry fakan' ny tantely mamim-bony koa ny Sonchus arvensis.

Fitandremana

[hanova | hanova ny fango]

Miteraka famaivain' ny hoditra ny fikasihana amin' ny ravin' ny Sonchus arvensis noho ilay ranony toa ronono (lateksa). Izany famaivay izany dia afaky ny fanasana azy amin' ny rano fotsiny.

Mety ahitana nitirata misy poizina ilay zavamaniry[1].

Faritra sy toerana aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Ny Sonchus arvensis dia karazana zavamaniry teratany any Eorôpa sy Azia Andrefana izay efa miparitaka amin' ny faritra maro manerana izao tontolo izao ankehitriny, ka hita any amin' ny kôntinanta rehetra, indrindra fa any amin' ny faritra misy toetany antonony, saingy hita ihany koa any amin' ny faritra sasany manana toetany sobtrôpikaly mando. Hita any amin' ny firenena miisa 59 izy io ary matetika no heverina ho ahi-dratsy manelingelina ny fambolena. Tamin' ny taona 1814 no voalaza voalohany fa nisy azy io tany Etazonia, tao amin' ny fanjakan' i Pennsylvania. Ny fiparitahany dia vokatry ny asan' ny olombelona, ​​indrindra fa tamin' ny alalan' ny fifangaroan' ny voany amin' ny vihim-boa hafa.

Hita matetika eny amin' ny tanimboly sy kijana, any anaty ala sy zaridaina, eny amin' ny tany tsy voavoly, eny amin' ny ny sisin-tsaha sy sisin-dalana ary eny amin' ny hady ity zavamaniry ity. Maniry amin' ny karazan-tany samihafa izy io saingy toa maniry tsara kokoa amin' ny tany somary mando, indrindra fa amin' ny tanimanga na tanibetro be zavatra ôrganika, ary tsy dia mitombo loatra amin' ny tany maina sy marokoroko. Toa mahazo tombony amin' ny fisian' ny otrikaina sasany izy, indrindra fa ny azôta sy ny pôtasiôma.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. ↑ Elias, Thomas S.; Dykeman, Peter A. (2009) [1982]. Edible Wild Plants: A North American Field Guide to Over 200 Natural Foods. New York: Sterling. p. 103. ISBN 978-1-4027-6715-9. OCLC 244766414.