Solila
Fiseho

Ny Mentha dia vondron-karazan-javamaniry, ao amin' ny fianakaviana Lamiaceae. Ity vondron-karazana ity dia ahitana karazana maro, maro amin' izy ireo no ambolena ho hanitra, ho haingo na ho zavamaniry fanafody. Ny tena mpamokatra dia i Marôka. Fantatra ny solila hatramin' ny fahagola, ny sasany dia nahazo lanja ara-toekarena lehibe tato anatin' ny folo taona lasa.

Amin' ny karazana solila 18 ekena amin' izao fotoana izao, ny telo ihany (Mentha aquatica, Mentha canadensis, Mentha spicata) sy ny safiotra (M. x gracilis, M. x piperita, M. x villosonervata) ihany no mibahan-toerana eo amin' ny tsena maneran-tany ho an' ny famokarana menaka.