Sivilizasiôna Minôana
Apparence
Ny Sivilizasiôna Minôana dia sivilizasiôna tamin' ny Andro Taloha izay nivoatra tao amin' ny nosy Kreta sy Santorini ary mety tamin' ny ampahany be amin' ny Ranomasina Egea any amin' ny faritra atsimon' i Grisia, tamin' ny taona 2700 hatramin' ny 1200 tal. J.K..
Nahazo ny anarany tamin' ny anaran' ilay mpanjaka malaza atao hoe Minôsy (grika: Μίνως / Mínôs), tantaraina amin' ny fedrà grika, io sivilizasiôna io. Ilay arkeôlôga anglisy Arthur John Evans no nanambara ny fisiany tamin' ny fiandohan' ny taonharo faha-20. Tsy fantatra izay anarana niantsoany ny tenany, fa ny Egiptiana fahiny dia niantso azy hoe Kaphti, ary ny teôria sasany, miorina amin' ny asa soratra avy amin' ny tanànan' i Mari, dia mazàna miantso ny nosy Kreta hoe Kaptara.