Siantôlôjia

Avy amin'i Wikipedia
Fiangonan' ny Siantôlôjia ("Manga Be") ao amin' ny Fountain Avenue / L. Ron Hubbard Way, Los Angeles, California

Ny siantôlôjia dia fitambarana finoana sy fomba fanao izay novolavolain' i L. Ron Hubbard tany Etazonia tamin' ny taona 1952 ny foto-keviny. Ny Fiangonan' ny Siantôlôjia dia naorina tao Camden, New Jersey, ary nisokatra tamin' ny Desambra 1953. Ny siantôlôjia dia mampiroborobo fomba pseodôsiantifika antsoin' ny mpanorina azy hoe "dianetika" ary manolotra fitambarana finoana sy fomba fanao mikasika ny toetran' ny olombelona sy ny toerana misy azy eo amin' izao rehetra izao, izay mampianatra fa ny olombelona dia tsy mety maty nanadino ny tena toetrany.

L. Ron Hubbard tao Los Angeles, California, tamin' ny taona 1950.

Heverina ho sekta na fivavahana ny siantôlôjia, arakaraka ny firenena misy azy. Ankoatr' izay, ny firenena sasany dia mihevitra azy io ho orinasa ara-barotra, ny hafa ho toy ny fikambanana tsy mitady tombony na mpanao asa soa. Indraindray ny fanasokajiana azy dia miteraka fifanolanana any amin' ny fitsarana.

Fikambanana maromaro nandrafitra ny fampiharana ny siantôlôjia no noforonina, ka ny tena malaza dia ny Fingonan' ny Siantôlôjia. Ny Fingonan' ny Siantôlôjia Iraisam-Pirenena, izay manana ny foibeny any Los Angeles, Etazonia, dia heverina ho Fiangonana renin' ny fikambanana sy sampan-draharahan' ny siantôlôjia.

Ny siantôlôjia dia anisan' ireo hetsika ara-pivavahana vaovao izay mampiady hevitra indrindra, nipoitra tamin' ny taonjato faha-20. Miteraka resabe sy fanakianana ny fanaony, indrindra ny fampiasana teknika fanasan-doha sy fisolokiana, indraindray tonga hatrany amin’ ny fitsarana.