Siansan' ny zavaboary

Avy amin'i Wikipedia

Ny siansan' ny zavaboary na siansan' ny natiora dia siansa andalinana ny tontolo voajanahary, mikasika ny famariparitana sy ny fahalalana ary ny filazana mialoha ny zava-kitranga momba ny zavaboary na natiora, miorina amin' ny porofo avy amin' ny fandinihana sy ny fanandramana.

Ny siansan' ny zavaboary dia azo zaraina ho sampana roa lehibe: ny siansa momba ny aina sy ny siansa fizika. Ny siansa momba ny aina dia fantatra amin' ny anarana hoe biôlôjia na haiaina. Ny siansa fizika dia mizara ho sampana maro: ny fizika, ny simia, ny siansa momba ny tany ary astrônômia. Ireo sampana momba ny siansan' ny zavaboary ireo dia azo zaraina ho sampana manokana kokoa (fantatra ihany koa amin' ny hoe saha). Amin' ny maha ara-panandramana azy, ny siansan' ny zavaboary dia mampiasa fitaovana avy amin' ny siansan' endrika, toy ny matematika sy ny lôjika, manova ny zava-pantatra momba ny natiora ho habe azo refesina izay azo hazavaina ka lasa fanambarana mazava momba ny "lalàn' ny natiora". I Galileo, i Descartes, i Bacon ary Newton dia niady hevitra momba ny tombontsoa amin' ny fampiasana fomba fiasa izay matematika kokoa sy misy fanandramana kokoa.