Sapora I

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' i Sapora I

I Sapora I na Sabora I no mpanjakan' ny mpanjaka sasanida faharoa tao Iràna. Iadian-kevitra ny daty marina nanjakany, saingy ifanarahana amin' ny ankapobeny fa nanjaka tamin' ny taona 240 ka hatramin' ny 270 izy, ary i Ardasira I (Ardashir) rainy no mpiara-mitantana taminy mandra-pahafatin' ity farany tamin' ny taona 242. Atao hoe 𐭱𐭧𐭯𐭥𐭧𐭥𐭩 / Šābuhr izy amin' ny fiteny persiana antenatenany.

Nandritra ny fitondrana niarahany tamin' ny rainy dia nanampy ny rainy tamin' ny fandresena sy fandravana ny tanànan' i Hatra izy, ka ny fianjeran' io tanàna io taty aoriana, araka ny lovantsofina islamika, dia nohamorain' ny zavatra nataon' ny vadiny al-Nadirah. Nanamafy sy nanitatra ny fanjakan' i Ardasira I koa i Sapora, niady tamin' ny Empira Rômana, ary naka ny tanànan' i Nisibis sy Carrhae, raha nandroso hatrany Siria Rômana izy. Na dia resin' ny emperora rômana Gôrdiano III (nanjaka 238–244) tamin' ny ady tao Resaena tamin' ny taona 243 aza izy, dia afaka nandresy tamin' ny Ady tao Misiche izy tamin' ny taona nanaraka ary nanery ny emperora rômana vaovao Filipo Arabo (nanjaka 244–244) mba hanao sonia fifanekem-pandriampahalemana izay noheverin' ny Rômana ho "fifanarahana mahamenatra indrindra".

Nanararaotra ny korontana ara-pôlitika tao amin' ny Empira Rômana i Shapur tatỳ aoriana, tamin' ny nanaovany ny diabe faharoa hiadiana aminy tamin' ny taona 252/3–256, ka nandroba ny tanànan'i Antiôkia sy Dura-Europos. Tamin' ny taona 260, nandritra ny ady lavareny fahatelo, dia resiny sy voasambony ny emperora rômana Valeriano. Toa tsy liana tamin' ny fibodoana mandrakizay an' ireo faritany rômanina izy, fa nifidy ny hamabo sy handroba, ka hahazo harena be. Ny babo azony avy any Antiôkia, ohatra, dia natokana ho an' ny tanànan' i Gundeshapur vao naorina, izay nalaza tatỳ aoriana ho foiben' ny fahaizana sy fahalalana. Tamin' ny taona 260 dia nisedra fahasahiranana nanohitra an' i Ôdenatôsy, mpanjakan' i Palmira, ireo teo ambany fahefan' i Sapora. Araka ny soratr' i Sapora tao Hajiabad dia mbola niasa tao amin' ny fitsarana izy tamin' ny taona faramparany niainany, nandray anjara amin' ny fanipazana zana-tsipìka. Maty noho ny aretina tao Bishapur izy, ary azo inoana fa tamin' ny May 270 no nitrangan' izany.

I Sapora no mpanjaka iraniana voalohany nampiasa ny anaram-boninahitra hoe "mpanjakan' ny mpanjakan' ny Iraniana sy ny tsy Iraniana"; talohan' izay dia "mpanjakan' ny mpanjakan' ny Iraniana" no anaram-boninahitry ny mpanjaka. Noraisiny io anaram-boninahitra io noho ny fidiran' ny olom-pirenena rômanina izay nataony sesitany nandritra ny fanafihana lavareny nataony. Na izany aza, ity anaram-boninahitra ity dia lasa ara-dalàna voalohany teo ambanin' i Hormizd I zanany lahy sy ny mpandimby azy. I Sapora dia nanangana tempolin' ny afo zôrôastriana vaovao, nampiditra singa vaovao avy amin' ny fivavahana grika sy indiana tao amin' ilay fivavahana, ary nitarika fandaharan' asa goavana amin' ny fananganana indray sy fanavaozana ny tanàna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]