Samôrô (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Mpanakanto samôrô ao amin' ny Fikambanan' ny Fetiben'ny Nosy Pasifika tany San Diego, 2010

Ny Samôrô na Tsamôrô dia ny vahoaka teratany ao amin' ny vondro-nosy Mariana, mizara ara-pôlitika eo amin' ny fizaran-tanin' i Etazonia ao Guam sy ny Commonwealth amerikana' ao amin' ny vondro-nosy Mariana Avaratra any Mikrônezia. Misy mponina samôrô na taranaky ny Samôrô ny any Hawaii sy any amin' ny morontsiraka andrefan' i Etazonia, indrindra any California. Miteny samôrô, izay fiteny malaiô-pôlineziana, izy ireo.