Sakaly (amboadia)

Ny sakaly na jakala dia biby misy nono isan-karazanay mitovitovy amin' ny alika, ao amin' ny fianakaviana Canidae izay hita ao Afrika sy any Azia sy any Eorôpa (faritra Mediteranea) ary indrindra any amin' ny faritra Balkana.

Ireto avy ny karazana atsoina amin' io anarana io: ny Canis aureus sy ny Lupulella adusta ary ny Lupulella mesomelas.


Na dia tsy mamorona klady moônôfiletika aza, dia biby tsy mifidy zavatra hohanina sady mpiremby sy mpihinana fatim-biby ny jakala rehetra. Natao hihazana biby mampinono madinika sy vorona ary biby mandady ny ranjony lava sy ny vanginy mifaingoka, ary ahafahany nanao hazakazaka lavitr' ezaka sy ahafahany mitazona hafainganam-pandeha 16 km/ora mandritra ny fotoana maharitra ny tongony lehibe sy ny taolan-tongony mitambatra. Mpivoaka amin' ny maizimaizina ny jakala, ary mavitrika indrindra amin' ny maraina sy amin' ny takariva.