SMOTIG

Avy amin'i Wikipedia

Ny SMOTIG na Service de la main d'oeuvre des travaux publics d'intérêt général dia rafitr'asa terena nampiharin'ny governora jeneraly Olivier tao Madagasikara nanomboka tamin'ny taona 1928 hatramin'ny taona 1945.

Fanolorana[hanova | hanova ny fango]

Ny SMOTIG dia niorina avy tamin'ny sitrapon'ny governera jeneraly Olivier, izay notendrena taorian'ny fandaozan'ny mpiandoha azy, ny governora jeneraly Garbit, mba hampivoatra ny firenena amin'ny alalan'ny fampiasana olona tanora izay ampidirina amin'ny alalan'ny asa tsy maintsy atao.