Aller au contenu

Rudolf Steiner (antrôpôzôfia)

Avy amin'i Wikipedia
Rudolf Steiner

I Rudolf Steiner dia ôkoltista sy mpanoratra aotrisiana amin' ny sehatra maro isan-karazany, mpanorina ny antrôpôzôfia. Teraka tamin' ny 27 Febroary 1861 tao Donji Kraljevec (Krôasia, Fanjakan' i Hôngria) ary maty tamin' ny 30 Marsa 1925 tao Dornach (Soisa) izy. Nanolotra fampiharana miorina amin' ny antrôpôzôfia izy momba ny fanabeazana sy ny fambolena ary ny fitsaboana izy taty aoriana. Ireo fampiharana ireo, izay novolavolainy tamin' ny taompolo 1920, dia heverina ho pseodô-siantifika. Mbola mitohy amin' izao fotoana izao ny fampiharana amin' ny sehatra maro (ny fambolena biôdinamika, ny fitsaboana antrôpôzôfika, ny sekoly Steiner-Waldorf, ny dihy eoritmia).

Izy no mpanoratra ny asasoratra 20 mahery momba ny filôzôfia sy ny ôkoltisma ary ny fiainam-panahy, ary nanao valandresaka maherin' ny enina arivo nadika amin' ny boky mihoatra ny telonjato avy amin' ny naoty sora-pohy (ny ankamaroany dia tsy voavakiny). Ireto ny asany lehibe:

  • Goetheanische Erkenntnistheorie ("Teôria momba ny fahalalana araka an' i Goethe");
  • Wahrheit und Wissenshaft ("Fahamarinana sy Siansa");
  • Die Philosophie der Freiheit ("Filôzôfian' ny Fahalalahana").

Taorian' ny fianarany fohy tao amin' ny Technische Hochschule any Vienna (oniversite teknika momba ny fanofaana ny injeniera), dia niasa tao amin' ny Goethe und Schiller-Archiv ao Weimar izy ka niandraikitra ny fanontana ny asasoratra siantifika nataon' i Goethe. Lasa lehiben' ny tonian-dahatsoratra tao amin' ny Magazin für Literatur tany Berlin izy avy eo.

Rehefa lasa mpikambana ao amin' ny Fikambanana Teôzôfika izy, avy eo sekretera jeneralin' ny Fizaràna Alemana tamin' ny taona 1902, dia nandao izany folo taona taty aoriana izy ka nanangana ny Fikambanana Antrôpôzôfika izay nanokanany ny dimy ambin' ny folo taona farany niainany. Nandritra ny dimy ambin' ny folo taona farany, ny foiben' ny asany dia tao Dornach, akaikin' i Basel, any Soisa.

Fantatra manokana noho ny maha fototry ny pedagôjia Steiner-Waldorf azy izy, hetsika pedagôjika mifototra amin' ny fiheverany ara-panabeazana sy arak' antrôpôzôfia.