Rossy
| Rahasimanana Paul Bert | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Rahasimanana Paul Bert | ||
| Teraka | 20 septambra 1960 | ||
| Toerana | - | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | Madagasikara | ||
| Asa : | Mpamoron-kira
Mpihira Mpitendry zava-maneno | ||
| Asa hafa | Mpanao pôlitika | ||
| Fiainana manokana | |||
I Paul Bert Rahasimanana [1]na i Rossy dia mpihira sy mpitendry mozika malagasy teraka tamin'ny 20 septambra 1960. Milalao zavamaneno maro izy ary angorodao no tena ahafantarana azy. Nanangana ny tarika mitondra ny anarana koa hoe Rossy; tarika manavao sy mitahiry ny vakodrazana malagasy ary efa nanandratra avo ny kolotsaina malagasy teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Fiainana
[hanova | hanova ny fango]Fianarana nataony
[hanova | hanova ny fango]Nianatra tao amin' ny École Madame de Sevigné, Sainte Famille Mahamasina sy CEG Avaradrova izy ary avy eo tao amin' ny Lycée Ampefiloha sy Lycée Gallieni. Teny amin' ny Onivesiten' Antananarivo sampana Lalàna izy no nandranto fianarana ambony, ary avy eo niofana tao amin' ny INIREP, Issoudun France (Centre de Formation des Managers du Monde de la Musique) sampana regie spectacle, production, son et lumières. Niofana momba ny angorodao tao amin ny CNIMA (Centre National et International de Musique et d'Accordéon, Saint Sauves). Manana ny mari-pahaizana licence en droit privée sy maîtrise en droit pivée izy.
Zavabita
[hanova | hanova ny fango]Tarika malagasy voalohany matihanina ny Tarika Rossy. Manandratra ny hira gasy ho azo lalaovina an-tsehatra "tao Antsahamanitra".
Namorona ny music hall Tapolaka Glady nolalaovina an-tsehatra mandritra ny iray volana, tarika mitondra avo ny fanevan' i Madagasikara eran-tany (festival concours).
Nanangana ny Soma association mpanofana manampahaizana momba ny feo sy ny hay ara-panomanana hetsika ara java kanto. Namorona ny production ProRossy izy. Mpanomana hetsika goavana (Jean Jacques Goldman, Jimmy Cliff, Patrick Bruel teto Madagasikanra).
Nandeha sesintany tamin'ny 2002 ka lasa fahavalo voalohan' i Marc Ravalomanana ara-pôlitika izy. Niverina an-tanindrazana 6 taona taty aoriana ary nanao fampisehoana teny Antsonjombe. 45 000 olona nidi-bola. mbola tsy nisy fampisehoana nahazo olona toa io roapolo taona lasa izay (mahaleo 20 000 mpijery teo amin'io toerana io). Nanavao ny kabosy niaraka tamin ny luthier malagasy (Manako) ho lasa electro acoustika niaraka tamin' ny luthier amerikana (Danny Ferington) izay namorona ny gitara kramer. Nanavao ny angorodao ho lasa midi niaraka tamin' ny ozinina Cavagnolo.