Roger Federer

Avy amin'i Wikipedia
Roger Federer

Roger Federer (teraka ny 8 Aogositra 1981 tany Bâle, Soisa) dia olom-pirenena soisa mpilalao tenisy matihanina.

Maro ireo zava-bitany tsara indrindry maneran-tany eo amin'io taranja io. Anisan'izany ohatra ny nitazomany ny laharana voalohany tao amin'ny laharana ATP nandritry ny herinandro 309, izay 287 herinandro nisesy.

Eo koa ireo anaram-boninahitra betsaka indrindra (20 isa) nahazoany ireo fifaninanana goavana (grand chelem) nandritra ireo taom-pilalaovany : Nandresy tao Australia Open izy ny taona 2004, 2006, 2007, 2010, 2017 ary 2018. Nandresy tao Rolland Garros koa izy tamin'ny taona 2009. Nandresy tao Wimbledon koa izy tamin'ny taona 2003, 2004, 2005, 2006, 2007, 2009, 2012, ary 2017 ny US Open tamin'ny taona 2004, 2005, 2006, 2007, 2008.

Ireo zava-bitany ireo miampy izay maro mbola tsy voatanisa dia mitarika ny sain'ny maro hilaza fa izy no mpilalao mahay indrindra an'ity taranja ity eo amin'ny tantaran'ny tenisy.

Hatreto dia 97 ny isan'ny ireo fifaninanana efa azon'i Roger Federer. Efa nahazo ny anaram-boninahitra amin'ny lalao isan'ekipa koa izy ny taona 2014 (coupe davis), izay niarahany tamin'ilay namany soisa Stanislas Wawrinka, ary efa nandrombaka ny medaly volafotsy tamin'ny lalao olimpika tany Londres tamin'ny taona 2012.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]