Hankany amin'ny vontoatiny

Ranobe (fitrandrahana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny toeram-pitrandrahana Ranobe dia anisan' ny fitrandrahana titanina lehibe indrindra eto Madagasikara, eo amin’ ny 40 km any avaratr’ i Toliara any atsimo-andrefan’ i Madagasikara,. Manana tahirin' akora mitentina 959 tapitrisa taonina ity toerana ity, ka ny 5,8 % amin' izany no titanina[1][2][3].

Ity tahiry ity dia ahitana ny ilmenita, izay akora ahitana titanina betsaka, izay 70 % amin' ny vokatra marihitra hovokarina. Ahitana mineraly sarobidy toy ny zirkôna sy rotila ihany koa izy io, izay, na dia 10 % amin' ny mineraly mavesatra aza, dia mandray anjara eo amin' ny 30 % amin' ny sandan' ny akora alaina[4][3].

Mikasa ny hamokatra ilmenita 600 000 taonina sy zirkôna 65 000 taonina amin' ny vokatra marihitra isan-taona mandritra ny 20 taona voalohany ny tetikasa fitrandrahana ao Ranobe . Mampiasa manodidina ny 27 % amin' ny harena an-kibon' ny tany 884 tapitrisa taonina ao Ranobe io drafitra fitrandrahana io.[4][3][5][2].

Ahafahana mampiasana fomba fitrandrahana mitafo lanitra tsotra sy mahomby ny toetran' ilay tahiry, indrindra fa ny tahan' ny tanimanga ambany (<5 %). Lalana mirefy 55 km no hitaterana ny vokatra azo mankao avaratry ny seranan-tsambon’ i Toliara, ka hanamora ny fanondranana izany any ivelany[4][6][5].

Heverina ho matanjaka ny tetikasa fitrandrahana Ranobe, hahazoana tombony ambony nefa ambany ny saran' ny famolavolana azy raha oharina amin' ny tetikasa momba ny fasika mineraly mitovy habe aminy[4][6][7].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Ranobe mine", worldtitaniumresources.com. 2012.
  2. 1 2 "Toliara Mineral Sands Project, Madagascar", https://www.mining-technology.com, 06/10/2021
  3. 1 2 3 "Base Resources is progressing the Toliara Project in south-west Madagascar, 45km north of the regional town and port of Toliara", baseresources.com.au , notsidihina tamin' ny 08/04/2025
  4. 1 2 3 4 "Ranobe Mine", www.worldtitane.com; 17/03/2017
  5. 1 2 "Maiden Ranobe Ore Reserves Estimate", baseresources.com.au, 27/11/2019
  6. 1 2 "Base Toliara sands mine", www.banktrack.org, notsidihina tamin' ny 08/04/2025
  7. "Ranobe Project Update – June 2012", www.aspecthuntley.com.au, notsidihina tamin' ny 08/04/2025