Rafohy

Avy amin'i Wikipedia
Fasan-dRafohy ao Alasora

Rafohy dia mpajakavavy vazimba nanjaka hatrany Alasora ao afovoan-tany eto Madagasikara mandra-pahafatiny. Teo anelanelan' ny taona 1530 sy 1540 izany. Nandimby ny mpanjakavavy Rangita izy. Ny loharano sasany dia milaza fa reniny Rangita; ny hafa indray milaza fa rahavavy nantsangan-dRangita izy. Izany fifangaroana eo amin' ny lovantsofina izany dia mahazo koa ny mombamomba ireo vehivavy roa ireo, ka araka ny fitantarana sasany dia mety renin-dRangita Rafohy, ary Rangita dia mety reny niteraka an' Andriamanelo[1].

Ny renin' Andriamanelo (na Rafohy io na Rangita) dia nanambady indroa: ny fanambadiany voalohany nananany zanany lahy, fa ny faharoa tamin' ny lehilahy merina atao hoe Manelobe, dia niterahany zazavavy sy ny zananilahy izay notendreny handimby azy amin' ny fahafatesany. Rehefa voatendry ny mpandova, izay tsy iza fa Andriamanelo, dia nanjary mpanjaka voalohan' Imerina ka niady tamin' ny Vazimba sady nitari-tafika nandroaka azy ireo hiala any afovoan-tany.

Araka ny fanaon' ny Vazimba dia alentika anaty rano manan-kasina ny vatan' ny maty, indraindray rehefa avy napetraka anaty vatam-paty namboarina tamin’ ny hazo noloahina. Voalaza fa tamin’ ny nahafatesan-dRafohy (toy izany koa ny an-dRangita) dia nalentika tanaty honahona ny vatam-paty nisarin-dakana nisy azy[2]. Misy fasana izay lazaina fa fasan-dRafohy anefa ny ao Alasora.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Callet, F. Tantara ny Andriana. Imprimerie Catholique, 1908. Notsidihina 02/10/2010.
  2. Kent, R.K. Early Kingdoms in Madagascar: 1500-1700. Holt, Rinehart and Winston, 1970.