Ny antsoina hoe rafi-drakitra (amin’ny teny anglisy: file system) dia natao hamehezana ny fomba famakiana ary fitahirizana ny angona. Raha tsy nisy rafi-drakitra ny kapila mateza dia ho vatan'angona tsy ahitana ny lohan-tsingan'angona sy ny vodin-tsingan'angona ny fitaovam-pitahirizan'angona. Mora hita ny angona voalamina ary mitondra anarana. Ny fananana rafitra ao amin'ny fitahirizana rakitra dia ahafahana mamantatra ny singan'angona haingana kokoa.
Maro ireo karazana rafi-drakitra. Samy manana ny lôjikany ary ny firafiny izy ireo. Natao hanaovana fampiharana (application) manokana ny rafi-drakitra sasany. Ohatra, ny rafi-drakitra ISO 9660 dia natao ho ampiasaina amin'ny kapila CD.
Ny Rafi-drakitra amin'ny tambajotra na network file system dia rafi-drakitra miasa toa mpanjifa ho ana prôtôkoly ahafaha-mampiasa rakitra ary manome fahafaha-mampiasa ny rakitra eo amina lohamilina. Ny ohatra rafi-drakitra amin'ny tambajotra dia ireo mpanjifa ho an'ny prôtôkôly NFS, AFS na SMB, ary mpanjifa toa rafi-drakitra ho an'i FTP ary WebDAV.
Ny rafi-draki-kapila zaraina dia rafi-draktira ahitana milina (matetika lohamilina) manana aksesy amin'ny zana-drafi-kapila ivelany (matetika SAN). Ny rafi-drakitra dia mandidy mikasika ny fampiasana ny zana-drafitra, mba tsy hitrangan'ny fifandonana an-tsoratra. Ohatr'izany dia ireo GFS2 a'i Red Hat, GPFS an'i IBM, SFS ho an'i DataPlow.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
↑IBM introduced JFS with the initial release of AIX Version 3.1 in 1990. This file system now called JFS1. The new JFS, ported from OS/2 to AIX and Linux, was first shipped in OS/2 Warp Server for e-Business in 1999. It was released as JFS2 on AIX 5L.
↑Microsoft first introduced FAT32 in Windows 95 OSR2 (OEM Service Release 2) and then later in Windows 98. NT-based Windows did not have any support for FAT32 up to Windows NT4; Windows 2000 was the first NT-based Windows OS that received the ability to work with it.
↑ 5,0 et 5,1Specifications for the Reliance file systems are available here [1].