Kapila mateza

Avy amin'i Wikipedia
Kapila mateza (nesorina ny sarony)

Ny kapila mateza dia fitaovana ampiasain’ny solosaina ho an’ny fitahirizana fampahalalana. Mandraikitra ny fampahalalana amin’ny alalan’ny fijanonan’ny herin’andriamby amina kapila ahodikodina ny kapila mateza. Ny mari-drefy ampiasaina amin’ny fandanjana ny angona azo tahirizina dia ny oktety. Ny oktety dia bit valo milahatra. Refesina amin’ny gigaoktety, izay iray miliara oktety, ny fahafaham-pitahirizan’ny kapila mateza. Ireo kapila mateza izay namboarina nanomboka tanatin’ny taom-polo 2010 dia refesina amin’ny teraoktety izay midika "arivo gigaoktety".

Ny orinasa IBM no namorona ary nanomboka nampiasa azy ireo tamin’ny taona 1956. Lasa fitahirizan’angona faharoa ho an’ny solosaina fampiasa amin’ny ankapobeny izy ireo tamin’ny fihatombohan’ny taompolo 1960. Ampihatsarana hatrany izy ireo ary ampiasaina amin’ny solosain’ny tsirairay ary ny servera ankehitriny. Orinasa miisa roanjato mahery no efa namoaka kapila mateza, na dia orinasa telo no tena hita misongadina toa i Seagate, Toshiba na Western Digital. Ny vola manontolo voaangona amin’ny fivarotana izy ireo dia 32 miliara dôlara isan-taona izay nihena telo isan-jato raha oharina amin’ny taona 2012.[1]

Ny tondro voalohany indrindra jerena amin’ny kapila mateza dia ny haben’ny toeram-pitahirizany, ary ny hafaingany izay isaina amin’ny sangan’arivo oktety: ny kapila manana 1 teraoktety dia manana arivo gigaoktety izay manana iray tapitrisa oktety.

Karazana[hanova | hanova ny fango]

Ny IBM 350 izay kapila mateza voalohany namboarin’i IBM dia plateau mirefy 24 intsy ary manana habe mitovy amin’ny fampangatsiahana roa. Tamin’ny 1962, namoaka ny kapila môdely 1311 izay nampiasa lemaka nirefy 14 intsy i IBM. Mitovy amin’ny milina fanasan-damba ny habeny. Ny kapila tety aoriana dia namboarina mba hampahatafiditra azy iro anaty rack mirefy 19 intsy. Ny RK05 ary ny RL01 an’i Digital no ohatra voalohandohany mampiasa plateau 14 intsy anaty pack azo esorina.

Fandeha[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny kapila mateza dia ahitana kapila alominiôma henjana ahodikondina. Ny alominiôma dia vy mora rafetina. Nanomboka tamin'ny 1990 dia mampiasa fitaratra na seramika ny teknika vaova, mba ahazoana velarana mbola malama noho ny alominiôma. Asiana soson'andriamby itahirizana ny angona ny kapila. Soratana amin'ny alalan'ny kaody roa fototra amin'ny alalan'ny loha fanoratana ny angona. Ilay loha fanoratana dia antsody kely «manaprinty» ny sahan'andriamby eo amin'ny soson'andriamby. Ny loha famakiana kosa dia antsody ikorianan'ny rianaratra rehefa andalovan-tsahan'andriamby.

Mekanika[hanova | hanova ny fango]

Sahan'andriamby ao amin'ny soson'andriamby no mitahiry ny angona
Sahan'andriamby eo amin'ny kapila mateza miseho amin'ny alalan'ny CMOS-MagView

Ny kapila fitaratra misy soson'andriamby mitahiry ny angona dia miara-mihodina amin'ny alalan'ny maotera mandeha aratra, miaraka amin'ny roulement menaka na kanety. Ny hafaingam-pihodinana tamin'ny kapila namboarina natamin'ny taona 2013 dia manomboka amin'ny 3.600 fhd/min hatramin'ny 15.000 fihodinana isa-minitra (ireo hafaingam-pihodinana hafa dia 3.600, 4.200, 5.400, 7.200, 10.000 ary 15.000 fihodinana isa-minitra). Mitovy daholo ny hafaingam-pihodinan'ny môdely rehetra. Araka any fitomboan'ny olana mikasika ny fitsitsiana angovo dia namorona kapila mitsitsy angovo izay antsoina hoe «maitso» (green) ny mpanamboatra ; izy ireo dia nolazaina fa manana hafaingam-pihodinana miovaova, izay mampihevitra fa mihodina moramora kokoa izy ireo rehefa tsy ampiasaina mba hampidina ny fihinanana arak'angôvony. Voaporofo fa diso izany tamin'ny alalan'ny test ara-peo[2] ; ireo kapila ireo dia mandeha amin'ny hafaingam-pihodinana ambany kokoa noho ny hafaingana tokony ihodinany (ohatra: 5.400 fhd/min ho an'ireo kapila manana hafaingana 7.200 fhd/min)

Ny lalana lavitra indrindran'ny afovoan-kapila no atao ho fitombohan'ny kapila (tsy ohatra ireo CD/DVD izay mampiasa ny toerana akaiky indrindran'ny afovoan-kapila ho fitombohan'ny kapila), satria eo amin'izany toerana izany no tena ahazoana taham-pamindran'angona ambony indrindra.

Haikoriam-boanaratra[hanova | hanova ny fango]

Ny faritra mikasika ny haikoriam-boanaratra dia ny famehezana ny maotera mampihodina ny kapila ary ny fitrandrahana ny fampahalalana arak'aratra avy amin'ny fifandraisana arak'anjanandrianaratry ny loha ary ny velaran'ny kapila. Ny ampaha mikasika ny kajimirindra be kokoa dia ny ampaha mandraharaha ny famadihana ny adiresim-blaoky ho mari-toerana (loha, kapila, blaoky).

Ahafahana manitsy ny hadisoam-panoratan'ny rindrankajy iany koa ny fari-drakitra mikasika ny haikoriam-boanaratra.

Famatsiana amin'ny herinaratra[hanova | hanova ny fango]

Anaty solosaina, ny IDE mandeha fiara mafy dia nahazo hery tamin'ny alalan'ny mpampifandray Molex . Ny kapila mateza sasany manana interfasy SATA dia mampiasa mpampiafandray Molex mba ho zaka amin'ny famatsiana efa misy, fa samy nifindra tany amin'ny famatsiana manokana sy fisaka (S Famatsiana amin'ny SATA).


Rafitsary[hanova | hanova ny fango]

Ny kapila dia ahitana lalana mifanakaiky ary sarasarahana amin'ny alalan'ny antsoina hoe fielanelan-dalana.

Voazarazara ho fari-kapila ny lalana (antsoina hoe blaoky) ahitana ny angona.

Amin'ny fanomezana adiresy CHS, dia mari-toerana telo no ilaina fantatra raha tia hamaky na hanratra anaty fari-kapila iray:

  • Laharan'ny lalana (mamaritra ny toeram-pisian'ny tanana mitondra ny loha rehetra)
  • Laharan'ny loha famakiana (fifidianana ny velarana)
  • Laharan'ny blaoky (na fari-kapila) eo amin'ilay lalana (mamaritra ny toerana manomboka amakiana ny angona)

Io famadihana io dia atao amin'ny alalan'ny mpamehy (controller) kapila izay mandika avy amin'ny adiresim-blaoky antsoina hoe LBA (manomboka amin'ny 0 hatramin'ny isa manontolon'ny blaoky analana 1).

Ambony kapila boribory ireo lalana ireo, ka lava kokoa noho ireo lalana eo akaikin'ny afovoan-kapila ireo lalana amin'ny sisiny ivelan-kapila. Mampiteraka olana ny fananana hafaingam-pihodinana mitovy. Tamin'ny kapila mateza voalohany toa ny ST-506 dia tsy miankina amin'ny laharan-dalana ny isan'ny fari-kapila isaky ny fihodinana. Ka mihambany ny hakitrok'angona rehefa amin'ny sisin'ny kapila. Nanomboka tamin'ny taona 1990 ary ny fanaovana ny fandraiketana aa-belarana (zone bit recording), dia mitovy ny hakitro-pitahirizana, fa miova arakaraky ny lalana ny isan'ny fari-kapila.

Tamin'ny kapila voalohandohany, dia voa-format teny amin'ny ozinina fanamboarana ny velarana manokana izay ahitana ireo fampahalalana ahafahan'ny rafitra hanao sync (synchronisation) ary mahafantatra ny toeram-pisian'ny loha na oviana na oviana. Io velarana io dia antosina hoe «servo». Taty aoriana, dia natsofoka tao anatin'ny blaokin'angona ny faritra fanaovana sync fa mbola format-ena eny amin'ny ozinina foana izy ireo (ao amin'ny fenitra SCSCI dia misy faritra FORMAT izay mandraikitra fanindroany ny fampahalalan'ny velarana rehetra, fa tsy apetraka amin'ny kapila rehetra ilay izy). Noho izany dia toa ny manaraka ny firafitry ny lalana:

Firafitry ny angona ao amin'ny kapila mateza
  1. Lavaka (gap): Faritra navela ho fotsy mba hanomezana fotoana mba hivadi-toetra (loha mpamaky lasa loha mpanoratra na loha mpanoratra lasa loha mpamaky). Izany koa dia anekena fiovaovan'ny hafaingam-pihodinan'ny velaran'ny kapila.
  2. Servo (servo): faritra ahitana «top» ahafahana manao sync ny lôjikan'ny mamehy amin'ny angona izay ho voavakin'ny loha aoriana (ary hahafantarana ihany koa ny fifanitsian'ny loha mpamaky amin'ny lalana hovakiana)
  3. Famantarana (ID): ahitana ny laharan'ny blaoky hanaraka mba ahafantaran'ny mpamehy kapila ny laharam-pari-kapila hovakiana.
  4. Angona (données): izay tahirizin'ny mpampiasan'ilay kapila.
  5. Tamba-panamarinana (checksum): ahitana ary anitsiana ny diso ary andrefesana ny fihanteran'ny kapila mateza

Karazana interfasin'ny kapila mateza[hanova | hanova ny fango]

Nisy fivoarana ny interfasin'ny kapila mateza mba hampitomboana ny hafaingany. Ohatr'interfasy azo ampiasaina:

  • SMD (Storage Module Device) nampiasaina tamin'ny taona 1980, ary natokana ho an'ireo kapila mahatahiry angona be dia be mipetraka ao amin'ny lohamilina.
  • SA1000, bus ampiasaina tamin'ny mikrô-kajimirindra ary niavian'ny ST-506.
  • ESDI (enhanced small device interface) nandimby an'i ST-506.
  • IDE izay fampiasa tamin'ny solosaina manokana hatramin'ny taona 2005.
  • SCSI (small computer system interface) lafo kokoa noho ny IDE fa mandeha haingana kokoa. Mihatrara hatrany (fiovana 8 bit ho 16 bit ary fampitomboana ny hafaingam-pamindrana: fenitra SCSI-1, SCSI-2 ary SCSI-3). na dia izany aza, dia 16 monja ny partition azo ananan'ny kapila mateza SCSI. Tsy dia hita loatra amin'ny milina ho an'ny vahoaka.
  • SAS
  • SATA: interfasy serialy, mora vidy ary haingana kokoa noho ny ATA. Io no fantatry ny vahoaka
  • Fibre channel: fifandraisana serialy ampisaina amin'ny lohamilina.

Tondro[hanova | hanova ny fango]

Fotoana anakarana angona[hanova | hanova ny fango]

Ny facteur mametra ny fotoana ilain’ny kapila amin’ny fanakarana angona dia mifototra amin’ny maha-mekanikan’ny fihodinkodinan’ny kapila ary ny fihetsiketsiky ny loha famakiana. Ny fotoam-pitadiavana dia ny fehim-potoana ilaina amin’ny fitadiavana ilay angona ao amin’ny kapila mateza. Ny fotoam-pihodinana dia ny fotoana ihodinan’ny kapila mba ipetrahan’ny loha famakiana eo ambonin’ny fari-kapila misy ny angona. Ireo fotoam-piandrasana ireo dia refesina amin’ny milisegondra. Ny taham-bit (bit rate) na ny taham-pamindran’angona (data transfer rate), rehefa eo ambonin’ny fari-kapila dia mahatonga fahatarana izay lefa andraisan’ny isan’ny blaoky nafindra; kely dia kely izy io fa mety ho lavabe ho an’ny rakitra mavesatra. Mitombo ihany koa ny fitaom-piandrasana rehefa manajanona ny kapila mba itsitsiana angovo.

Ny salan’isam-potoam-piandrasan’ny kapila dia ny salan’isam-potoam-pitadiavana izay fotoana hanaovana ny fikarohana rehetra zaraina amin’ny isan’ny fikarohana rehetra azo atao. Ny fomba hafa ahafantarana izany ny salan’isam-potoam-piandrasana dia fomba statistika na fanakaikezana amin’ny alalan’ny fotoam-pitadiavana zaraina amin’ny iray ampahatelon’ny isan’ny lalana.[3]

Ny fanakelezam-piparitahana (defragmentation) dia natao ahakelezana ny fotoana ilaina amin’ny alalan’ny fanetsehana ny singan’angona mba hampifanakaikezana azy ireo eo amin’ny kapila.[4]. Manao fanakelezam-piparitahana ho azy ny rafitra fikirakirana sasany. Na dia natao hampihena ny fotoam-piandrasana aza ny fanakelezam-piparitahana, dia mety hisy fihenana tsy maharitra ny rafitra rehefa am-panaovana izany.[5]

Mety ampihatsarana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny hafaigam-pihodinan-kapila ny fotoana anakarana angona.

Fotoam-pitadiavana (seek time)[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoam-pitadiavana (seek time) dia eo amin’ny efatra milisegondra eo ho eo ho an’ireo kapila matezan-dohamilina avo kalitao[6], hatramin’ny dimy amby folo milisegondra ho an’ireo kapila finday. Ny fotoam-pikaroana ho an’ireo solosaina amin’ny birao dia eo amin’ny 9 ms eo ho eo. Ny salan’isam-potoam-pikarohan’ny kapila mateza voalohany dia tany amin’ny eninjato milisegondra tay ho any[7] Tamin’ny taompolo 1970, dia lasa tany amin’ny 25 ms tany ho any ny fotoam-pitadiavana. [8] Ho an’ny fampihetsehana ny loha famakiana dia nampiasa môtera tsidingadingana (stepper motor) ny kapila matezan’ny solosaina natao ho an’ny vahoaka voalohany, ny vokatr’izany dia fotoam-pitadiavana manakaiky ny 80 hatramin’ny 120 ms, nampihatsaraina tamin’ny alalan’ny antsodim-peo izany tamin’ny taona 1980 ary nihena hatrany amin’ny roapolo milisegondra tany ho any ny fotoam-pitadiavana.

Nahafahan’ny mpampiasa manao marimaritra iraisana amin’ny hafaingam-pitadiavana ary ny feo avoakan’ny kapila mateza ny solosaim-birao ary solosaina finday sasany. Nilàna angovo be kokoa hampihetsehana ny loha famakiana eo ambonin’ny kapila ny taham-pitadiavana avo kokoa. Izany dia mahatonga ny fitombon’ny feo avy amin’ny kapila mateza noho ny fihovitrovitra vokatry ny fampahainganan’ny loha famakiana any am-pihandohana ary amin’ny faran’ny hetsi-pitadiavana. Mahakely ny hafaingan’ny hetsika ary ny taham-pampahainganana ny kapila mangina fa lasa ela ihany koa ny fitadiavana angona.

Fahelana[hanova | hanova ny fango]

Hafaingam-pihodinana
[fhd/min]
Salanisam-pahelana
[ms]
15.000 2
10.000 3
7.200 4,16
5.400 5,55
4.800 6,25


Ny fahelana dia ny fotoana ilaina mba hametrahana ny loha famakiana eo ambonin’ny fari-kapila. Izy io dia mifototra amin’ny hafaingam-pihodinan’ny kapila izay refesina amin’ny fihodinana isa-minitra (fhd/min). Ny salanisam-pahelam-pihodinana miaraka amin’ny fahelana dia miseho eo amin’ny tabilao eo amin’ny ankavanana

Taham-pamindran’angona (data transfer rate)[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ny taona 2010, dia nahatana taham-pamindran’angona 1.030 Mbit/s ny kapila mateza amipasaina amin’ny solosaim-birao manana hafaingam-pihodinana 7.200 fhd/min.[9] Miankina amin’ny toeram-pisian’ny lalana izany; avo be ilay taha ho an’ny lalana amin’ny sisiny ivelan’ny kapila (satria betsaka kokoa ny faritr’angona isaky ny fihodinana) ary kely amin’ny lalana akaikin’ny afovoan’ny kapila (satria kely kokoa ny faritr’angona isaky ny fihodinana); ary somary avo kokoa izany ho an’ny kapila 10.000 fhd/s. Ny fenitra ankehitriny be mpampiasa ho an’ny interfasy buffer-to-computer dia SATA 3 Gbit/s izay afaka mandefa eo amin’ny 300 megaoktety/s (encoding10 bit) avy amin’ny buffer mankany amin’ny solosaina, ka noho izany dia mbola eo anoloan’ny taham-pamindrana kapila mankany amin’ny buffer. Afaka refesina amin’ny alalan’ny fanoratana akitra lehibe amin’ny alalan’ny fitaovam-panamboaran-drakitra ny taham-pamindran’angona (famakiana/fanoratana). Mety ianjadian’ny fiparitahan’ny rafi-drakitra ary ny fisehon’ny rakitra ny taham-pamindrana.

Miankina amin’ny hafaingam-pihodinan’ny kapila ary ny hakitroky ny angona ny taham-pamindran’angon’ny kapila mateza. Noho ny hafanana ary ny fihovitrovitana mametra ny hafaingam-pihodinana dia lasa fomba lehibe fampihatsarana ny taham-pamindrana ny fampitomboana ny hakitroka. Mila maotera ampela mateza ny hafaingam-pihodinana avo ka mampafana azy. Raha mbola mivoatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny isan’ny lalana ao amin’ny kapila ary ny isan’ny fari-kapila isaky ny lalana ny hakitroka ara-belarana, ny isan’ny fari-kapila isaky ny lalana ihany no mampitombo ny taham-pamindran’angona ho an’ny hafaingam-pihodinana iray. Noho ny fandrefesana taham-pamindran’angona mitily ny iray amin’ny mpanorina roan’ny hakitroka ara-belarana, kely kokoa ny taham-pivoaran’ny hafaingam-pandehany.

Fivoaran’ny vidy ary ny fahafaha-mitahiry[hanova | hanova ny fango]

Nitombo avo iray hetsy heny ny hakitro-pitahirizan’ny kapila mateza. 300$ isaky ny megaoktety ny vidin’ny kapila mateza, tamin’ny 2008 izy io dia lasa 0,00022$.

Fahafaha-mitahiry[hanova | hanova ny fango]

Ny kapila mateza mahatahiry betsaka indrindra dia manana fahafaha-mitahiry mihoatra ny 2 teraoktety (tamin’ny 2010) ary 3 teraoktety (tamin’ny 2011). Nihatsara haingana noho ny hafaingany izay voafetran’ny mekanika ny fahafaha-mitahirin’ireo kapila mateza. Miankina amin’ny hafaingam-pihodinan’ny kapila ary amin’ny fotoana ilaina ipetrahan’ny loha famakiana ny fotoam-pamakiana. Ny taham-pamindran’angona kosa dia mihatsara rehefa ambony ny hakitroky ny angona.

  • Tamin'ny taona 1997, 2 gigaoktety ho an'ny solosaim-birao ho an'ireo kapila 3,5 intsa.
  • Tamin'ny taona 2002, fahita amin'ny solosaim-birao ny kapila mateza mahatahiry hatramin'ny 40 Go.
  • Tamin'ny 2009 dia 1 teraoktety ny fahita amin'ny solosaim-birao ary 500 Go ho an'ny solosaina finday.
  • Tamin'ny 2010 dia fahita ireo kapila mateza 1,5 To sy 2 To. Ho an'ireo kapila latsaky ny 100 Go dia nosoloina ho kapila SSD, na karatra SD ny kapila tsotra


Tantaran'ny fahafaha-mitahirin'ny kapila mateza
misy ny habe rehetra
Fahafaha-mitahiry Daty Mpanamboatra Môdely Habe
5 Mo 1956 IBM 305 Ramac[10] 24"
28 Mo 1962 IBM môdely 1301
1,02 Go 1982 Hitachi[11] H8598 14"
25 Go 1998 IBM Deskstar 25 GP 3,5"[12]
500 Go 2005 Hitachi 3,5"
1 To 2007 Hitachi Deskstar 7K1000[13] 3,5"
2 To 2009 Western Digital[14] Caviar Green WD20EADS 3,5"
3 To 2010 Seagate 3,5"
4 To 2011 Hitachi[15] 7K4000 3,5"
6 To 2013 HGST[16],[17] WD Red Pro 3,5"
8 To 2014 Seagate[18] , Archive HDD 3,5"

Fivoarana ho avy[hanova | hanova ny fango]

Hakitroka ara-belaran'ny kapila mateza

Ny hakitroka ara-belaran'ny kapila mateza dia heverina fa eo amin'ny 41%n'ny lalàn'i Moore eo ho eo. 60 hatramin'ny 100% isan-taona no fivoarana nandritry ny taona 1990 hatramin'i 2005. Taty aoriana kosa dia nihena ny taham-pitomboana ary lasa 5-10% sisa ny fitomboana nandritry ny taona 22011 hatramin'i 2014. Nihatsara ho lasa -45% ny vidy isak'oktetin'ny kapila nandritry ny taona 1990-2000, ary nijanona tamin'ny 2010 noho ny fahasimban'ny ozinina tamin'ny tondra-drano tany Tailandy[19] ary ny fahasarotana ny fivadihana amin'ny teknolojia vaovao. Tamin'ny taona 2005 dia hitan'i Moore fa tsy afaka hitohy mandrakizay ny fitomboana.

Ny fitombon'ny hakitroky ny velarana dia mahatonga ny fahakelezan'ny haben-tselam-bit. Tamin'ny 2013, nyhakitrok'angon'ny kapila mateza 3 teraoktety (manana kapila telo) dia 77,5 Go/cm² na 500 Go/in² (gigaoktety isak'intsa toradroa) izay mahatonga azy hanana voan'andriamby 18 isaky ny selam-bit. Nanomboka tamin'ny afovoan'ny taompolo 2000, dia voatohitry ny trilema ahitana ny habem-boany, herin'andriambiam-boany ary ny fahafahan'ny loha manoratra ary mamaky.[20]. Mba hahafahana mitazona ny tahan-kaika-amin-tabataba (signal to noise rate) azo ekena; dia mety mivadi-tena (noho ny thermal instability) ny voany kely kokoa raha tsy ampiakarina ny herin'andriambiany. Anefa kosa dia tsy afaka mamoaka sahan'andriamby ampy anoratana ny fitaovana ny loha fanoratana fantatra. Mbola am-panamboarana ireo teknolojiam-pitahirizana amin'andriamby mba hanala ny olana iray amin'ilay trilema ary hitazonana ny fahafaha-mifaninan'ny kapila mateza amin'ireo fitaovam-pitahirizana mifototr amin'ny arika flash na ireo kapila SSD

Tamin'ny taona 2013 dia nanomboka nampiasa teknolojia toa izany ny orinasa Seagate tamin'ny alalan'ny shingled magnetic recording (SMR). Ny SMR tonga tamin'ny alalan'ny fahasarotana tamin'ny design dia mety hanana olan-kafainganana amin'ny fanorataa.[21][22] Ny teknolojia hafa fandraiketana tamin'ny 2015 dia, mba andalam-pivoaran ary anisan'ireo ireo HAMR (heat-assisted magnetic recording)[23], MAMR (microwave-assisted magnetic recording), 2DMR na TDMR (two-dimensional magnetic recording)[24], ary loha tohitr'andriamby lehibe (giant magnetoresistance head) [25]

Kapila mateza amidy amin'ny tsena[hanova | hanova ny fango]

Kapila mateza ho an'ny solosaim-birao

Izy ireo matetika dia mahatahiry angona hatramin'ny 4 To, ary manana hafaingam-pihodinana hatramin'ny 10.000 fhd/min. Ny taham-pamindran'angona dia eo amin'ny 500 Mbps na maherin'izany. Tamin'ny voana Aogositra 2014, ny kapila mateza malalaka indrindra dia afaka mitahiry 8 teraoktety [26]

Kapila mateza ho an'ny solosaina finday

Kely kokoa noho ny haben'ny kapila mateza ho an'ny solosaim-birao ny kapila mateza ho an'izy ireo. Kely ihany koa ny hafaingany. Manana hafaingam-pihodinana eo amin'ny 4.200 hatramin'i 7.200 fhd/min ny kapila ho an'izy ireo.

Kapila mateza ho an'orinasa

Natao ho an'ireo solosaina ampiasaim-pampiasa maro ary mampiasa rindrankajin'orinasa. Ohatra: banky angona mitahiry transaction, fotodrafitrasa Aterineto (mailaka, lohamilin-tranonkala, varotra an-tranonkala), rindrankajy hanaovana kajy siantifika, rindrankajy fitahirizan. Miasa tsy mijanona ny kapila mateza ho an'orinasa, tsy maintsy ato atokisana ary tsy maintsy mandeha farany izay haingana. Ny tanjona eto dia tsy ny fahafaha-mitahiry lehibe indrindra, ka kely izy ireo ary misy fifandraisana amin'ny vidiny.[27]

Ny kapila mateza ho an'orinasa mandeha haingana indrindra dia mihodina amin'ny iray alina hatramin'ny dimy arivo sy iray alina fihodinana isa-minitra. Ny taham-pamindran'angona ho an'izany dia mahatratra hatrany amin'ny 1,6 Gbps. Na dia avo be tahaka izany aza ny tahany dia kely koka ny fahalalahany. Mifandray amin'ny alalan'ny kanaly tadifitaratra (fibre channel, FC) ireo kapilo ho an'orinasa ireo.

kapila mateza ho an'ny fitaovam-pandraiketana

Anisan'izy ireo ny kapila mateza ampiasain'ny fandraiketana horonantsay ary ireo kapila amin'ny fiara. Ny kapila ho an'ny fandraiketan-koronantsary dia manome fahafaha-mamaky tsy tapaka na dia misy diso asa tam-panoratana na tam-pamakiana. Ny kapila ho an'ny fiara dia natao hizaka fifandonana be kokoa.

Mpanamboatra ary mpivarotra[hanova | hanova ny fango]

Iro mpanamboatra kapila mateza ary ny orinasa nividy azy ireo (miaraka amin'ny daty nividianana

Teny amin'ny roanjato tany ho any ireo mpanamboatra kapila mateza, fa ankehitriny izy ireo dia voavidin'ny mpanamboatra kapila mateza telo izay manjakazaka ankehitriny: Seagate, Toshiba ary Western Digital. Ny vola azo amin'ny fivarotana kapila mateza dia 32 miliara tamin'ny 2013, izay telo isan-jato kely kokoa noho ny tamin'ny taona 2012. kapila mateza 552 tapitrisa no lafo tamin'ny taona 2013. Ny anjaran-tsena dia 40-45% ho an'i Seagate sy Western Digital ary 13-16% ho an'i Toshiba

Haben-kapila[hanova | hanova ny fango]

Ny haben'ny kapila mateza dia manara-penitra:

  • 19 intsa (48.26 cm) ny rakitsoratra fahiny (SMD interfasy tsara);
  • 8 intsa (20.32 cm): taranaka manaraka
  • 5,25 intsa (13.335 cm): ny habeny niseho tamin'ny taona 1980 ny ST-506, dia hita ihany koa ny antsasaky ny hahavony;
  • 3.5 intsa (8.89 cm) dia ny fitsipika haben'ny nandritra ny taona maro;
  • 2.5 intsa (6.35 cm) ny solosaina sy ny tany am-boalohany napetraka amin'ny lohamilina sasany nanomboka tamin'ny 2006, ary dia ny rafitry ny ventin-panjakana aelin'ny;
  • 1.8 intsa (4.572 cm) ho an'ny mpilalao mozika nomerika, Ultra solosaina azo entina, ny sasany ivelany aelin'ny mafy.

Aelin'ny misy fa kely dia tafiditra ao amin'ny sokajin'ny microdrives tamin'ny haben'ny 1 intsa (2.54 cm).

Ny fitsipika teo aloha endrika dia voafaritra amin'ny haben'ny takelaka. Misy ihany koa ny fitsipi-kabem-boaty mba hamela ny kapila mateza avy amin'ny mpanamboatra mba hifanaraka amin'ny solosaina.

Microdrive[hanova | hanova ny fango]

Ny Microdrive dia noforonin'i IBM 44 tamin'ny 1998. Izy io dia birendim-barotra ho ana kapila mateza kely habe namboarina ary namidy nanomboka tamin'ny taona 1999 mba hamaly ireo filàn'ny baladera nomerka ary koa ny fakan-tsary nomerika.

Ny microdrive dia manana ny refin'ny ny CompactFlash karatra fitadidiana (CF karazana 2), ary ampiasaina ao amin'ny toy izany koa. Ny fahafaha-mitahiry dia eo anelanelan'ny 170 MB sy 8 GB. Kapila ity dia amin'ny fotoana, ny fahatsiarovana fananana fahafaha-mitahiry betsaka noho ny karatr'arika, fa lafo kokoa, marefo kokoa ary mandevona herinaratra bebe kokoa noho ny ny mikrômotera.

Ity kapila no tena ampiasaina amin'ny fakan-tsary sy ny sasany matihanina MP3 mpilalao noho ny fahaizana be.

Nanomboka ny 2007, io karazana fiara mafy dia fifaninanana mivantana amin'ny mipipy fahatsiarovana, izay tsy dia mora mahatsapa ny mahatanty ny olana isan-, araka ny nanao ny madio ary ny vidiny elektronika kijanona mihena.

Fahasimbana[hanova | hanova ny fango]

Noho ny fifanakaikezan'ny loha famakiana ary ny velaran'andriamby dia mety ho potiky ny filatsahan'ny loha ny kapila mateza. Izany filatsahan'ny loha (head crash) famakiana izany dia mandrangotra, manaparitaka ny soson'andriamby ary mahatonga ny angona ho very. Ny filatsahan'ny loha dia vokatry ny fijanonam-batsin'aratra (tapaka ny jiro ohatra), fahasimban'ny rafitra mifehy ny koriam-boanarata, fifandonana, fidiran'ny vovoka ao amin'ny efitra misy ny kapila na loha na kapila ratsy kalitao.

Miankina amin'ny hakitro-drivotra ao amin'ny efi-kapila ny rafitra mifehy ny fijanonan'ny kapila eo ambony ary ao akaikin'ny kapila. Afaka miovaova amin'ny alalan'ny lalan-drivotra ao amin'ny kapila ny hakitroky ny rivotra. Raha tsy mikitroka tsara ny rivotra dia mety hampilatsaka ny loha famakiana eo amin'ny kapila izany.

Sary manondro[hanova | hanova ny fango]

Sary mety anehoana ny kapila mateza amin'ny GUIn'ny solosaina

Ny sary manondro ny kapila mateza efa mahazatra ny tsirairay dia lovia na toa sarin'ny boatin-kapila. Amin'ny tontolo grafikan'ny solosaina dia iray amin'ireo sary ireo no anondroana kapila mateza.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. IDC report: Worldwide Disk Storage Systems Quarterly Tracker (2014-06-19). "Any Future for Worldwide Storage Industry?" (Press release). StorageNewsletter.com. IDC. Retrieved 2014-07-14. Worldwide global disk storage systems revenue 2012 = $32,564 million; 2013 = $31,688 million
  2. Western Digital's Caviar Green hard drive
  3. "Famaritan'i Western Digital ny average access time". Archived from the original on 2015-04-03. Retrieved 2015-04-13.
  4. Kearns, Dave (18 Aprily 2001). "How to defrag". ITWorld.
  5. Broida, Rick (10 April 2009). "Turning Off Disk Defragmenter May Solve a Sluggish PC". PCWorld.
  6. Anand Lal Shimpi (2010-04-06). "Western Digital's New VelociRaptor VR200M: 10K RPM at 450GB and 600GB". anandtech.com. Retrieved 2013-12-19.
  7. "IBM Archives: IBM 350 disk storage unit". Novangiana ny 2012-10-19.
  8. "IBM Archives: IBM 3350 direct access storage". IBM. Novangiana ny 2013-01-07
  9. ""Speed Considerations"". Seagate. Voatahiry tamin’i 2011-02-10. Novangiana ny 22 Janoary 2011.
  10. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées ccn
  11. Julien Jay, « Les 50 ans du disque dur : petit historique » sur Clubic.com, 2006. Novangiana tamin'ny jeudi 5 avril 2012 Archived Aprily 28, 2015 at the Wayback Machine "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2015-04-28. Retrieved 2015-04-19.
  12. Fiche produit Deskstar 25GP sur www.hgst.com, avril 2000. Novangiana tamin'ny 04/12/2012
  13. ((la))
  14. ((la))
  15. Le 4 d'Hitachi GST disponible au japon Sur le site hardware.fr
  16. HGST présente le premier disque dur 3.5 à 6 gonflé à l’Helium, sur le site silicon.fr, consulté le 18 novembre 2013
  17. [http://web.archive.org/20140731191756/http://www.wdc.com/fr/company/pressroom/releases/?release=83eb2a53-38b6-4893-943e-4f0411662e24 Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine Archived Jolay 31, 2014 at the Wayback Machine WD lance un DD à la capacité de 6], sur le site wdc.com, consulté le 17 décembre 2014
  18. Seagate : un disque dur de 8 bon marché mais inadapté pour Windows Archived Aprily 28, 2015 at the Wayback Machine, sur le site 01net.com du 15 décembre 2014
  19. Mellor, Chris (2014-11-10). "Kryder's law craps out: Race to UBER-CHEAP STORAGE is OVER". theregister.co.uk (UK: The Register). Retrieved 2014-11-12. The 2011 Thai floods almost doubled disk capacity cost/GB for a while. Rosenthal writes: "The technical difficulties of migrating from PMR to HAMR, meant that already in 2010 the Kryder rate had slowed significantly and was not expected to return to its trend in the near future. The floods reinforced this."
  20. Plumer et. al, Martin L. (March 2011). "New Paradigms in Magnetic Recording" (PDF). Physics in Canada 67 (1): 25–29. Retrieved 17 July 2014
  21. Jake Edge (2014-03-26). "Support for shingled magnetic recording devices". LWN.net. Retrieved 2015-01-07.
  22. Jonathan Corbet (2013-04-23). "LSFMM: A storage technology update". LWN.net. Retrieved 2015-01-07. A 'shingled magnetic recording' (SMR) drive is a rotating drive that packs its tracks so closely that one track cannot be overwritten without destroying the neighboring tracks as well. The result is that overwriting data requires rewriting the entire set of closely-spaced tracks; that is an expensive tradeoff, but the benefit—​much higher storage density—​is deemed to be worth the cost in some situations.
  23. "Xyratex no-go for bit-patterned media". The Register. 24 April 2010. Retrieved 21 August 2010.
  24. Dave Anderson (2013). "HDD Opportunities & Challenges, Now to 2020" (PDF). Seagate. Retrieved 2014-05-23. PMR CAGR slowing from historical 40+% down to ~8-12%" and "HAMR CAGR = 20-40% for 2015-2020
  25. All-Heusler giant-magnetoresistance junctions with matched energy bands and Fermi surfaces
  26. Broekhuijsen, Niels (2014-08-26). "Seagate 8 TB HDDs Widely Available Next Quarter, Shipping Now". Tom's Hardware (US: Purch). Retrieved 2014-08-26.
  27. "Enterprise-class versus Desktop class Hard Drives" (PDF). Intel. Retrieved 25 September 2013.