Oktety

Avy amin'i Wikipedia

Ny oktety dia venty andrefesana ny data amin'ny taranjan'ny kajimirindra. Ny oktety dia bity miisa valo, izany hoe isa miroafototra valo. Ny baity (amin'ny teny anglisy byte), no anisan'ny fomba anononana ny oktety amin'ny teny anglisy, na dia azo ampiasaina amin'ny teny anglisy koa aza ilay teny octet.

Eva[hanova | hanova ny fango]

Ny eva ampaisaina anehoana ny oktety dia ny litera "o" zanatsoratra.

Tsy avelan'ny Rafitra Iraisam-pirenena (SI) ampiasaina ny "O" renisoratra noho ny fitovizany amin'ny isa 0, ary natao ho an'ny refy misy fifandraisana amin'olona iray ny litera renisoratra. Mbola tsy tena tapaka ny hevitra momba izany, satria tsy anisan'ny refy ampiasain'ny Firafitra Iraisam-pirenena ny ventim-pampahalalana

Fampiasana ny tovona mamaritra ny habe[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny alalan'ny gibioktety (Gio) no soratan'i Ubuntu, izay mitovy amin'ny atoron'ny SI.

Rehefa ampiharina amin'ny oktety ny tovana kilo, mega ary giga, dia tsy tora-telo ny isa folo (103n) intsony no soloiny fa tora-polon'ny isa roa (210n) ; ka mba tsy hifangaroan'ny tovona ampiasaina ho an'ny 103n sy ny tovona ampiasaina ho an'ny 210n ; dia noforonina ireo tovona mifarana amin'i bi : kibioktety, mebioktety, gibioktety, tebioktety, sns. :

  • kibioktety → 210×1 o → 210 o;
  • mebioktety → 210×2 o → 220 o;
  • gibioktety → 210×3 o → 230 o;
  • tebioktety → 210×4 o → 240 o;
  • pebioktety → 210×5 o → 250 o;
  • sns...

Mbola betsaka ny mampiasa ny tovona taloha amin'izao fotoana, na dia tsy ankasitrahan'ny SI aza izany, izay mamaritra tovona hafa mihitsy. Tsy fampiasan'ny olona amin'ny fiainana mandavanandro na an-teny na an-tsoratra ireo tovona ho an'ny isa miroa fototra, anefa ampiasaina matetika ireo toraky ny isa roa ireo amin'ny taranjan'ny kajimirindra indrindra indrindr ary amin'ny taranjan'ny elektronika amin'ny ankapobeny. Ao amin'ny rindrankajy open source ary ny mpandrindra milina GNU/Linux no tena ahitana ny fampiasana ireo tovona miroa fototra ireo.

Fantatry ny mpanamboatra kapila izay fahasamihafana izay : oktety miaraka amin'ny tovona tsotra (kilo, mega, giga) no aseho ny eo amin'ny fonon'entana, anefa oktety miaraka amin'ny tovona miroa fototra (kibi, mebi, gibi) no asehon'ny mpandrindra milina eo amin'ny efajoro, na GNU/Linux izany na Microsoft Windows. Ka noho izany mitovy fiatiana amin'ny kapila 93 gibioktety (isa izay hita eo amin'i Windows : 93,1 "gigaoktety" ; ary eo amin'i Linux : 93,1 gibioktety) ny kapila iray manan-piatiana 100 gigaoktety (isa izay hita eo amin'ny fonon'entana).

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.