Plinio Zokiny

Avy amin'i Wikipedia
Plinio Zokiny
Ankapobeny
Anarana Plinio Zokiny
Teraka Taona 23
Maty 25 Aogositra 79
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Roma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

I Plinio Zokiny na Plinio Zokiolona na Pliniosy Ilaibe dia mpahay siansan-javaboary sady mpanoratra romana teraka tamin'ny taona 23 tao Novum Comum (Como ankehitriny amin'ny teny italiana) ao avaratr'i Italia sy maty tamin'ny taona 79 tao Stabia tamin'ny fipoahan'ilay afotroa Vesovio izay nanaovany fandinihana. Izy no nanoratra ilay rakipahalalana lehibe dia lehibe atao hoe Naturalis Historia tamin'ny taona 77.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Ny anaran'i Plinio Zokiny amin'ny teny latina dia Gaius Plinius Secundus. Amin'ny teny Frantsay izy dia atao hoe Pline l'Ancien fa amin'ny teny anglisy kosa dia Pliny the Elder. Amin'ny teny grika ankehitriny izy dia atao hoe Πλίνιος ο Πρεσβύτερος / Plinios o Presbuteros.

Atao hoe "Zokiolona" na "Zokiny" izy mba hanavahana azy amin'i Plinio Zandriny atao hoe Gaius Plinius Caecilius Secundus, izay natsangany tamin'ny taona 79.

Tsy misy fomba tena raikitra anagasiana ny anaran'i Plinio Zokiny fa mety ho soratana hoe Plinio Zokiolona na Pliniosy Ilaibe koa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.