Aller au contenu

Pio VII

Avy amin'i Wikipedia
Papa Pio VII

I Pio VII no papa faha-251 ao amin' ny Eglizy Katôlika. Barnaba Niccolò Maria Luigi Chiaramonti no tena anarany. Teraka tamin' ny 14 Aogositra 1742 tao Cesena (Romagna) ary maty tamin' ny 20 Aogositra 1823 tany Rôma izy. Moanina benediktinina izy, tamin' ny voalohany izy dia prior tao amin' ny Basilica di San Paolo fuori le mura, iray amin' ny bazilika efatra lehibe eran-tany, izay hita ao Rôma avokoa. Notokanana ho eveka ho an’ ny diôsezin’ i Tivoli izy avy eo tamin’ ny taona 1782, avy eo nafindra tany Imola ary natsangana ho kardinaly tamin’ ny taona 1785. Voafidy ho papa izy tamin’ ny 14 Marsa 1800.