Paradisa Very

Avy amin'i Wikipedia
Pejin-dohatenin' ny Paradise Lost, Londra: 1667, nataon’ i John Milton (1608-1674). EC65.M6427P.1667aa, Tranomboky Houghton, Oniversite Harvard

Ny Paradisa Very (amin' ny teny anglisy: Paradise Lost) dia tononkalo natao amin' ny andalana tsy miady rima nataon' ilay poeta anglisy tamin' ny taonjato faha-17, atao hoe John Milton (1608–1674). Ny fanontana voalohany, navoaka tamin' ny 1667, dia ahitana boky folo misy andalana maherin' ny iray alina. Ny fanontana faharoa dia tamin' ny 1674, nalamina ho boky roa ambin' ny folo (araka ny fomban' i Virgil's Aeneid) miaraka amin' ny fanavaozana kely. Heverina ho sangan' asan' i Milton izy io, ary nanamafy ny lazany ho iray amin' ireo poeta anglisy malaza indrindra tamin' ny androny. Ny tononkalo dia mikasika ny tantara ara-Baiboly momba ny Fahalavoan' ny Olombelona: ny fakam-panahy nataon' ilay anjely lavo Satana tamin' i Adama sy Eva sy ny fandroahana azy ireo tao amin' ny saha Edena.