Panina miely

Avy amin'i Wikipedia
Sarimihetsika maneho ny fielezan'ny panina iray eraky ny rafitra

Ny panina miely (anglisy: cascading failure) anatin'ny tambazotran-tsolosaina na rafitra dia fahasimban'ny singa iray mahatonga fahasimban'ny singan-drafitra hafa. Izany fahasimbana (na panina) izany dia mety mitranga anaty rafitra maro toa ny rafitra fitaterana herinaratra, tambazo-tsolosaina, rafitra fifanakalozam-bola, ny vatan'olombelona ary ny tetezana.

Ny panina miely dia mety mitranga rehefa misy simba ny ampahan'ny rafitra. Rehefa mitranga tokoa izany dia samy mizarazara ny vesatr'asan'ilay singa simba ireo singa hafa. Izany zavatra izany dia manome vesatr'asa tafahoatra ny mety ho an'ny singa tavela ka hahatonga azy ireo ho simba ihany koa. Hiely amin'ny singa tsy mbola simba ny fahasimbana mandra-pijanona ny rafitra manontolo.

Panina miely amin'ny fitaterana herinaratra[hanova | hanova ny fango]

Ny panina miely dia zavatra fahita anaty rafitra fitaterana herinaratra rehefa simba (tanteraka na amin'ny ampahany) ny singa iray ary mamindra ny vesatr'asany amin'ny singa manodidina azy ao anatin'ilay rafitra. Voavesatra mihoatra ny mety ireo singa manodidina ireo ka mamindra ny vesatr'asany amin'ny singa hafa. Vokatra hita amin'ny rafitra avo zitina ny panina miely, ka mahatonga fiakaran-besatr'asa tampoka eraky ny rafitra ny toeram-panina tokana anaty rafitra efa mizaka ny vesatr'asa ambony indrindra izay zakany, na mihoatra kely fotsiny ny vesatr'asa ambony indrindra izay zakany. Izany fiakaran-besatr'asa izany dia hahatonga ireo singa efa voavesatra mihoatra ny mety ho simba, hahatonga fihoaram-besatr'asa any amin'ny singa hafa ka hampidaraboka ny rafitra manontolo anatin'ny fotoana fohy dia fohy.

Mifindrafindra amin’ny singa izay mbola tsy tratra sahala ripelika anaty dobo ny panina mandra-pahasimba ny singa rehetra anatin’ny rafitra na mandra-pahatapaka ny fifandraisana amin’ny loharanom-besatr’asa. Ohatra, rehefa feno ny fepetra sasany dia mety hampijanona ny rafitra fitaterana herinaratra iray manontolo ny fahasimban’ny mpanova iray.

Ny fanaraha-maso mivantana ny fandehan’ny rafitra iray ary ny fanapahana amin’ny fomba voafetra ny singa dia mety hanampy amin’ny fampijanonana fielezam-panina. Ny teknika hafa azo ampiasaina ihany koa dia ny mikajy sanda azo hoarana izay tsy hanimba ny singa ary ny singa manodidina.

Anisan’ny olana fototra amin’ny fisorohana panin-drafitra fitaterana herinaratra dia ny hafaingam-pitateran’ny baiko izay tsy ho afa-mihoatra ny hafaingam-besatra mihoatra, izany hoe samy mitovy hafaingam-pandeha ny baiko sy ny vesatra, ka tsy afaka atao ny mandefa fampitandremana mialoha mba hisarihana ny singa iray.

Panina miely amin'ny tambazo-tsolosaina[hanova | hanova ny fango]

Mitranga anaty tambazo-tsolosaina (toa ny Aterineto) ihany koa ny panina miely, rehefa tafajanona tanteraka ny fifamoivoizana anelanelan’ampahan-tambazotra vokatry ny fitaovana na rindrankajy tapa-pifandraisana. Mety misy fiantraikany amin’ny vondron’olona lehibe na vondron-drafitra ny panina miely.

Ny mahatonga ny panina miely dia ny fahazoam-besatra mihoatra ny mety ny rotera na naody izay tena ilaina ka mahatonga ilay rotera hijanona, na dia fotoana vitsy fotsiny aza. Izany zavatra izany dia mety mitranga ihany koa rehefa mila havaozina na amboarina ny rindrankajin’ilay naody. Na inona na inonona mitranga dia aova lalana ny fifamoivoizana. Lasa nahazo lanja mihoatra ny mety ny lalana faharoa ka hampijanona azy ihany koa dia toa izay hatrany. Hisy fiantraikany amin’ny rafitra izay miankina amin’ilay naody ihany koa ny panina miely.

Panina miely amin'ny trano[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.