Palm Islands

Avy amin'i Wikipedia
Palm Islands

Ny Palm Islands dia tangoro-nosy nosy voatr' olombelona miisa telo samihafa: Palm Jumeirah sy Deira Islands ary Palm Jebel Ali, eo amorontsirak' i Dubai, ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra. Ny Palm Islands dia naorina tamin' ny fotoana mitovy amin' ny nosy The World. Nakheel Properties no mpanangana ny Palm Islands. Nanomboka tamin' ny taona 2001 ary nifarana tamin’ ny taona 2006/2007 tany ho any ny fananganana ireo nosy ireo. Ireo nosy ireo dia nisy fiatraikany lehibe tamin' ny antsanga an-dranomasina sy ny biby ao amin' ny faritra manodidina.

Palm Jumeirah

Ny tangoro-nosy tsirairay dia manana endrika mampahatsiahy ny hazo rofia. Ny trano fandraisam-bahiny sy ny toeram-pandroan ho an' ny fahasalamana ary ny toeram-pizahantany dia nomanina isaky ny toerana. Ny trano ho an' olona tsirairay dia misy ihany koa ho an' ny mpanjifa manankarena.

Tsotra be ny fanorenana: fasika milanja 150 tapitrisa taonina no nalaina avy any amin' ny fanambanin' ny Hoala Persika ary napetraka tao amin' ny toerana mety hamoronana ireo nosy ireo. Ireo dia vita amin' ny fasika tanteraka, fa nisy ny fametrahana vato vitsivitsy natao indrindra amin' ny ivelan' ny fefiloha miendrika tsinam-bolana mba hanoherana ny onjan-drano mahery.

Môdelin' i Palm Jebel Ali

Tsy maintsy novaina ny drafitra ho an' ireo "hazo rofia" telo, indraindray aorian' ny fanamboarana toy an' i Palm Jumeirah ary indraindray imbetsaka toa an' i Palm Deira. Raha ny marina, ny mpanao trano, izay maika loatra, dia tsy niandry ny tatitra avy amin' ny injeniera avy any Nederlandy izay nangatahana ny traikefany momba fanitaran-tany eny amin' ny ranomasina. Ity tatitra ity dia nanamarika manokana fa tsy ampy ny rano ao anatin' ny "tsinam-bolana" mba hiantohana ny fanavaozana ny rano eo anelanelan' ny "hazo rofia", ka mety hanova ny riakasia ho toerana fiafenan' ny moka feno ahidrano sy ny lomotra. Avy eo dia naorina tamin' ny toerana stratejika ao amin' ny tsinam-bolana ny lalan-drano mba ahafahana manavao tanteraka ny rano isaky ny tapa-bolana noho ny hetsika voajanahary ataon' ny samonta.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]