Paederia


Ny Paederia dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Rubiaceae. Zavamaniry mianika (vahy) any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly izy ireo. Mamoaka fofona mahery rehefa potehina na tapahina ny raviny na ny tahony. Eto Madagasikara dia fantatra amin' ny anarana toy hoe laingomaimbo, laingomantsina, lengo, taimborona, vahimantsina ireo zavamaniry ireo.
Ahitana karazana miisa eo anelanelan' ny 30 sy 33. Fantatra amin' ny raviny tsotra sy feno ary ny tahony malefaka ny Paederia. Ny karazana sasany, toy ny Paederia scandens na ny Paederia foetida, dia malaza amin' ny fofona mahery sy mantsina, noho ny fisian' ny solifara sy iridôida ao anatiny, izay mahatonga azy ireo hatao fanafody. Ireo vahy ireo dia ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana noho izy ireo manohitra ny areti-mifindra sy ny mikrôba ary mamampy amin' ny fandevonan-kanina, ary ho an' ny fikarakarana nify. Mamokatra voniny kely sy voany misy nofo izy ireo indraindray, nefa ny raviny sy ny tahony no tena mahaliana aminy, izay misy singa miasa mahery vaika.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisiry ny karazana ao amin' ny Paederia: araka ny Plants of the World Online (Rubiaceae, Paederia L.)[1]:
- Paederia argentea (A.Rich. ex DC.) K.Schum.
- Paederia axilliflora Puff
- Paederia bojeriana (A.Rich. ex DC.) Drake
- Paederia brasiliensis (Hook.f.) Puff
- Paederia calycina Kurz
- Paederia cavaleriei H.Lév.
- Paederia changguan Z.Y.Zhu & S.J.Zhu
- Paederia ciliata (Bartl. ex DC.) Standl.
- Paederia cruddasiana Prain
- Paederia emeiensis Z.Y.Zhu & S.J.Zhu
- Paederia farinosa (Baker) Puff
- Paederia foetida L.
- Paederia grandidieri Drake
- Paederia lanata Puff
- Paederia lanuginosa Wall.
- Paederia linearis Hook.f.
- Paederia majungensis Homolle ex Puff
- Paederia mandrarensis Homolle ex Puff
- Paederia microcephala Pierre ex Pit.
- Paederia ntiti Mouly & Puff
- Paederia pallida Craib
- Paederia pertomentosa Merr. ex H.L.Li
- Paederia pilifera Hook.f.
- Paederia pospischilii K.Schum.
- Paederia praetermissa Puff
- Paederia sambiranensis Homolle ex Puff
- Paederia spectatissima H.Li
- Paederia stenobotrya Merr.
- Paederia taolagnarensis S.G.Razafimandimbison & C.M.Taylor
- Paederia thorelii Pit.
- Paederia thouarsiana Baill.
- Paederia verticillata Blume
- Paederia yunnanensis (H.Lév.) Rehder
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Eto Madagasikara, ny vondron-karazana Paederia dia ahitana karazana mihoatra ny folo, ny 10 amin' ireo dia tsy fahita afa-tsy eto amin' ny Nosy. Indreto ny anarana anondrana azy ireo: bongo, laingo, laingobe, laingomaimbo, laingomantsina, laingomantsina, laingovahira, lengo, lengomaimbo, lengomantsigny, tamboro, tamboromaimbo, tamboromantsina, tamborona, tambitsy, tambitsilahy, taimboro, vahamaibo, vahavôla, vahifotsy, vahimbitsy, vahimantsina, vahimantsy, vahilengo, vahitsy, zamboromantsina, zamala. Ireo karazana ireo dia fantatra amin' ny toetran' ny voninkazo sy ny taovany hafa mifanaraka amin' ny toerana aniriany manokana.
- Paederia argentea (A. Rich. ex DC.) K. Schum. (= Lecontea argentea) -- kotrokantsina, laingomaimbo, laingomantsina, laingovahira, tamboro, tamboromaimbo, tamboromantsina, tamborona, zamboromantsina
- Paederia bojeriana (A. Rich. ex DC.) Drake -- laingo, laingobe, laingomaimbo, laingomantsina, lengo, taimboro, tamboro, tamborona, zamboromantsina, tambitsy, vahimbitsy;
- Paederia bojeriana subsp. bojeriana
- Paederia bojeriana subsp. foetens (Hiern) Puff
- Paederia farinosa (Baker) Puff (= Vangueria farinosa Baker) -- vahimantsy, zamala, lengomantsigny, laingovahira, lengo, lengomaimbo, tambitsy, vahifotsy.
- Paederia farinosa subsp. farinosa (= Paederia grevei Drake) -- laingovahira, lengo, lengomaimbo, lengomantsina
- Paederia foetida L. -- lengo, laingo, laingomantsina, laingovahira, vahimantsina, lengomantsigny, vahavôla, vahamaibo, laingomaimbo, vahivola
- Paederia grandidieri Drake -- vahilengo, tambitsilahy, vahitsy, vahimantsy
- Paederia lanata Puff -- laingomantsina
- Paederia majungensis Homolle ex Puff -- bongo, vahimantsy
- Paederia mandrarensis Homolle ex Puff -- vahimantsy
- Paederia sambiranensis Homolle ex Puff -- vahimantsy
- Paederia taolagnarensis Puff -- vahimantsy
- Paederia thouarsiana Baill. -- vahimantsina, vahivola, tambitsy, vahimbitsy
Amin' ireo rehetra ireo dia ireto ny tsy fahita raha tsy eto Madagasikara: Paederia argentea, Paederia farinosa, Paederia grandidieri, Paederia lanata, Paederia majungensis, Paederia mandrarensis, Paederia sambiranensis, Paederia taolagnarensis, ary Paederia thouarsiana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Maimbo: Morinda - Gynochthodes
- Manitra: Ixora - Gardenia
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Rubiaceae, Paederia L.", powo.science.kew.org