Ora (tanana tamin'ny Andro Taloha)

Avy amin'i Wikipedia
Sisam-paharavàn' i Ora

I Ora, izay atao ankehitriny hoe Tell al-Muqayar, dia iray amin' ireo tanàna lehibe tranainy tany Mesôpôtamia tamin' ny Andro Taloha, izay ao Iràka ankehitriny. Tamoron' ny iray amin' ny sampan' ny ony Eofrata no niorenany tamin' izany fotoana izany sady akaiky ny Hoala Persika.

I Mesôpôtamia tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. ahitana ireo tanàna fahizay, hatrany Ora any atsimo ka hatrany Ninive (na Niniva) any avaratra.

Anisan' ireo tanàna someriana nanana ny maha izy azy sady natanjaka i Ora tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K., ka maneho izany ireo fasa-mpanjaka sy ireo fanaka fandevenana izay hita tao amin' ireo fasana ireo. Nandritra ny taonjato faha-21 tal. J.K. dia renivohitry ny fanjakana matanjaka notapahin' ny mpanjaka avy amin' ny dinastia fahatelo tao Ora, araka ny lovantsofina mesôpôtamiana. Nanangana trano sy zavatra hafa miezinezina maro ireo mpanjaka ireo tao amin' ny fitoerana masina natokana ho an' ny andriamani-dehiben' io tanàna io, dia ny Andriamanitra-Volana, atao hoe Nanna amin' ny teny someriana fa Sin kosa amin' ny teny akadiana. Tamin' ny fiantombohan' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. dia mbola tanàna lehibe i Ora, araka ireo trano sy zavatra voaorina sy ireo takela-bato na takela-tanimanga fanoratana amin' ny tarehin-tsoratra miendri-pantsika hitan' ireo arkeôlôga notarihin' i Leonard Woolley, izay nanao fisavana ny sisam-paharavany tamin' ny taona 1922 sy 1934.