Nobia
I Nobia dia faritra maina (tany efitra) ao amin' ny tapany avaratr' i Sodàna sy ny tendrony atsimon' i Egipta izay manamorona an' i Nily. Tamin' ny Andro Taloha dia fanjakana mahaleo tena i Nobia izay nisy mponina miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana. Nifarana tamin' ny taona 1970 ny fitenenana amin' ny fiteny birgidy, izay fitenim-paritra notenenina tao avaratr' i Nyala ao Sodàna, ao Darfora. Ny fiteny nobiana tranainy dia nanoratana ny akamaroan' ny lahatsoratra ara-pivavahana teo anelanelan' ny taonjato faha-8 sy faha-9.
Ny Nobiana
[hanova | hanova ny fango]Vondrom-poko ara-pitany any Sodàna ankehitriny sy any amin' ny tapany atsimon' i Ejipta ny Nobiana, izay avy amin' ny mponina voalohany tao amin' ny faritra afovoany amin' ny Lohasahan' i Nily, heverina ho iray amin' ny faritra voalohany nipoiran' ny sivilizasiôna. Manana ny tantarany tamin' ny Andro Taloha, talohan' ny Ejipta nanjakan' ny dinastia nifandimby ny Nobiana. Miteny ny fiteny nobiana, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, izy ireo. Avy any Sodàna ny Nobiana.
Fiteny nobiana
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny nobiana dia vondrona fiteny maromaro mifandray, ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana any Ejipta sy Sodàna, ampiasain' ny Nobiana.