Natrôna

Avy amin'i Wikipedia
Vangongo-natrôna ao anaty vavan' afotroan' i Tibesti (tendrombohitra ao Sahara).

Ny natrôna na atrona dia mineraly, ny karbônata-na sôdiôma dekahidirata izay manana raikipohy simika Na2CO3 • 10 H2O. Ny natrôna koa anefa dia nofom-bato vokatry ny fietona izay manana izao toetra manokana izao: raha misy rano na hamandoana dia mamorona an' ilay mineraly natrôna eo amboniny (matetika miaraka amin' ny loto isan-karazany). Ny anarana hoe natrôna dia nalaina avy amin' i Wadi Natroun, lohasaha antsoina hoe “Sahan-Tsira” amin' ny teny egiptiana taloha.

Io akora simika voajanahary io, izay nantsoina taloha hoe alkalia mineraly na das Soda fotsiny amin' ny teny alemàna, dia miseho amin' ny endrika fotsy, mora manjavona, izay hita eo amin' ny sisin' ny farihy misy sôda sasany, miserana na maharitra, misy rano masirasira any an-tany efitra.