Nagada II

Avy amin'i Wikipedia
Vazy tamin' ny vanimpotoan' ny Nagada II

Nagada II na kolontsaina gerzeana no anarana iantsoana ny kolontsaina talohan' ny tantara tao Ejipta, teo anelanelan' ny taona 3500 sy 3200 tal. J.K. Tokony tamin’ ny taona 3500 tal. J.K. dia nisy vahoaka hamitô-semitika izay nanomboka nifangaro tamin' ny mponina tao amin' ny lohasahan' i Nily tao amin' ny faritr' i Fayum. Noho izany dia nosoloan' ny kolontsaina gerzeana na Nagada II ny kolontsaina amratiana na Nagada I. Nivelatra hatrany Nobia ka hatrany amin' ny Vinanin' i Nily ny sivilizasiona gerzeana. Niavaka ny zavakanto tao (sary hosodoko mampiasa ny loko fotsy amin' ny fanaovana ny soritra eo ambonin' ny lafika miloko manopy mavokely) sy ny hairaha (fitaovana ampiasaina amin' ny taozavatra sy fitaovam-piadiana). Nizara ho fanjakà-mpanjaka roa ireo tanàna tao amin' ny lohasahan' i Nily, dia ny fanjakan' i Botô tao Ejipta Ambany sy ny fanjakan' i Hierakônpôlisy tao Ejipta Ambony.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]