Mpanolotra (fitsipiteny)

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpanolotra dia teny na andian-teny (sokajin-janateny) ampiasaina mba hilazana ny fisian'ny zavatra vaovao iray na hanehoana ny zavatra iray. Amin'ny fiteny frantsay dia mpanolotra ny hoe voilà, voici, il y a, il existe, c'est ary ce sont. Amin'ny fiteny malagasy dia mpanolotra ny hoe hoe, hoy, inty ary aleo. Tsy ny hevitra entiny ihany fa ny firafetany ao anaty fehezanteny koa no amaritana ny mpanolotra ao amin'ny fiteny iray.