Morin Jean-Yves
I Jean-Yves Morin dia mpampianatra amin' ny fotoana feno ao amin' ny Département de linguistique et de traduction ao amin'ny Oniversiten' i Montréal nanomboka tamin' ny 1978 ka hatramin' ny 2015. i Jean-Yves dia nanao fikarohana momba ny haiteny an-tsolosaina sy ny momba ny voambolana an-tsolosaina. Tao anatin' ny taona vitsivitsy izay, dia niasa tao amin' ny "Renin-drakibolana" izy, tetikasa lehibe momba ny voambolana an-tsolosaina amin' ny famokarana rakibolana malagasy.
Izy no niara-nanoratra tamin-dRabenilaina Roger Bruno ny rakibolana Vitasoa (rakibolana frantsay-malagasy izay misy 1 600 pejy, navoakan' ny Éditions Ambozontany tamin' ny taona 2015 sy ny Vitasoa de poche, Éditons Ambozontany, tamin' ny taona 2018). Miasa betsaka amin' ny rakibolana malagasy sy malagasy-frantsay izy ankehitriny, izany dia ao anatin' ny tetikasa "Renin-drakibolana".
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- "Jean-Yves Morin", ling-trad.umontreal.caù
- "VITASOA, dictionnaire bilingue Français-Malgache : trente ans de travaux de recherche et de rédaction", www.matin.mg,