Mistery masina

Avy amin'i Wikipedia

Ny mistery masina dia sehatra misy trangan-javatra mihoatra ny ara-boajanahary mifandray amin' ny andriamanitra na amin' ny finoana sy fanao ara-pivavahana. Ny mistery masina dia mety ho:

  1. finoana ara-pivavahana, fombafomba na fomba fanao izay afenina amin' ireo izay tsy nahazo fampianarana manokana momba izany.
  2. finoana ao amin' ny fivavahana izay fantatry ny besinimaro nefa tsy azo hazavaina amin' ny fomba voasaina na ara-tsiansa.

Ny mistagôga na hierôfanta dia mpihazona sy mpampianatra fahalalana miafina araka io heviny voalohany, fa ny mistisisma dia azo faritana ho fandinihana ao amin' ny sehatra ara-pilôzôfia na ara-pivavahana mifantoka amin' ny mistery araka io heviny farany io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]