Minas Gerais
19°46′56″S 43°57′5″W / 19.78222°S 43.95139°W
Minas Gerais
| |||
| Velarantany | 586,528,29 km2 | ||
| Haavo | 300−900 m | ||
| Isan'ny mponina | 19,595,309 | ||
| Ben'ny tanàna | Romeu Zema (NOVO) | ||
| Firenena | |||
| Fanjakana | |||
| Faritany | |||
| Faritra | |||
| Tanàna mifanolo-bodirindrina | |||
I Minas Gerais dia fanjakana mizaka-tena ao Brazila. Ny renivohiny dia Belo Horizonte. Ny velarantanin'ilay fanjakana dia 586 528,293 kilometatra toradroa ary ny isam-poniny dia 19 595 309.
Mizara ho kaominina 853 ny faritaniny, izay betsaka indrindra amin'ny fanjakana breziliana rehetra.
Mikitoantoana be ny endriky ny tendrombohitra ao
Minas Gerais, ary ny sasany amin'ireo tendrombohitra avo indrindra ao amin'ny firenena dia hita ao anatin'ny sisin-taniny. Ankoatra izany, ny sasany amin'ireo renirano manan-danja indrindra ao Brezila dia avy amin'ity fanjakana ity.
Rehefa fantatra ny fisian'ny volamena, dia nisy fidiran'ny mpifindra monina maro tao amin'ny fanjakana. Ny fitrandrahana metaly dia nitondra harena sy fampandrosoana ho an'ny faritany tamin'izany fotoana izany, izay nampiroborobo ny fitomboany ara-toekarena sy ara-kolontsaina. Na izany aza, tsy ela dia nanjary tsy dia nisy volamena, ka nahatonga ny ampahany betsaka amin'ny mponina hifindra monina, mandra-pahatongan'ny tsingerina vaovao (kafe) nitondra an'i Minas Gerais ho amin'ny laza nasionaly, izay niafara tamin'ny dingana indostrialy somary tara.
Ny Minas Gerais amin'izao fotoana izao no manana ny harin-karena faobe fahatelo lehibe indrindra any Brezila, ary ny ampahany betsaka amin'ny vokatra manontolo ao amin'ny fanjakana dia mbola azo lazaina fa avy amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Ny toekaren'i Minas Gerais no fahatelo lehibe indrindra ao amin'ny firenena sy ny faritra Atsimo Atsinanana, izay mitentina 9%-n'ny toekaren'i Brezila.
Jeografia
[hanova | hanova ny fango]
Maherin'ny 90%-n'i Minas Gerais no misy ambonin'ny 300 metatra, efa ho 60% ambonin'ny 600 metatra, ary 20% eo anelanelan'ny 900 sy 1500 metatra, miaraka amin'ny lembalemba avo misy tehezan-tendrombohitra mideza sy lemaka, izay tena hita miharihary any amin'ny faritra afovoany. Ny tendrony avo indrindra amin'ny fanjakana dia Pico da Bandeira ao amin'ny tandavan-tendrombohitra Serra do Caparaó eo amin'ny sisin-tanin'i
Espírito Santo, amin'ny 2.891 metatra (ny fahatelo avo indrindra ao amin'ny firenena), arahin'ny Pico do Cristal amin'ny 2.780 metatra.
Ony lehibe
[hanova | hanova ny fango]Tanàna lehibe
[hanova | hanova ny fango]| laharana | tanàna | mponina 2010 | vinavina 2018 |
|---|---|---|---|
| 1 | Belo Horizonte | 2.375.151 | 2.501.576 |
| 2 | Uberlândia | 604.013 | 683.247 |
| 3 | Contagem | 603.442 | 659.070 |
| 4 | Juiz de Fora | 516.247 | 564.310 |
| 5 | Betim | 378.089 | 432.575 |
| 6 | Montes Claros | 361.915 | 404.804 |
| 7 | Ribeirão das Neves | 296.317 | 331.045 |
| 8 | Uberaba | 295.988 | 330.361 |
| 9 | Governador Valadares | 263.689 | 278.685 |
| 10 | Ipatinga | 239.468 | 261.344 |
Jereo Koa
[hanova | hanova ny fango]| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Minas Gerais |