Agadà

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Midrasa agadà)

Ny Agadà na Hagadà dia ireo fampianarana araka ny lovantsofina jiosy tsy momba ny lalàna ary ny literatiora mirakitra an' ireo fampianarana ireo. Ao amin' izany literatiora izany dia ahitana fitantarana, angano, fedrà, toriteny, sombin-tantara, fananarana ara-pitodran-tena na torohevitra azo ampiharina amin' ny lafim-piainana andavanandro. Ao amin' ny Talmoda sy ao amin' ny fanangonan-dahatsoratra atao hoe "Midrasa agada" no tena ahitana ny agadà, ka ny tena fantatra indrindra dia ny Midrasa Raba (Midrash Rabba). Ahitana agadà koa ny ao amin' ny soratra tsy nataon' ny raby toy ny literatiora apôkaliptika sy jodeô-helenistika (jiosy sy grika).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]