Aller au contenu

Marotaina

Avy amin'i Wikipedia
Marotaina (Corythornis madagascariensis)

Ny marotaina dia karazana voron-kely ao amin' ny fianakaviana Alcedinidae. Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izy ary any amin' ny ala mando any andrefana no ahitana azy. Ny anarany ara-tsiansa dia Corythornis madagascariensis.

Ny fanoritsoritana maty paika voalohany an' ity vorona ity dia nataon' i Carl Linnaeus, mpandinika zavaboary soedoà, tamin' ny taona 1758, tamin' ny andiany faharoa ambin' ny folo amin' ny Systema Naturae, niantsoany azy amin' ny anarana hoe Alcedo madagascariensis.

Na dia natao tao amin' ny vondron-karazana Ceyx sy Ispidina taloha aza izy, ny fandinihana ny fifandraisany amin' ny vondron-karazana hafa ao amin' ilay faritra dia manondro fa tsara ny handraisana azy ho mpikambana ao amin' ny vondron-karazana Corythornis.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]