Mara Carson

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Mara Carson Rangers dia teraka tamin'ny taona 1959 tany amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara.

Maro ny karazana mozika nianarany, na bàn-kira vahiny na bàn-kira malagasy. Efa niara-niasa tamin'ny Tarika Sammy sy ny tarika Lolo sy ny tariny izy. Tamin'ny taona 1980 no niakarany an-tsehatra voalohany, ary ny taona 1981 no nitsanganan'ny tarika Carson. Mbola nanohy ny fianarany momba ny "Lalàna" teny amin'ny Anjerimanontolo izy nandritra izany.

Isan'ireo hira nahalalana azy tamin'izany ny Oram-pahavaratra (1982), Manina anao (1983), Fasana faharoa (1986). Ny taona 1988 izy no namorona sy nilalao ny feon-kira nandravaka ilay horonantsary hoe "Angano angano, Contes et légendes de Madagascar" izay notontosain'i Cesar Paes.