Aller au contenu

Mangalore

Avy amin'i Wikipedia

12°52′N 74°53′E / 12.87°N 74.88°E / 12.87; 74.88

I Mangalore, izay fantatra amin' ny anarana ôfisialy hoe Mangaluru, dia tanàna seranan-tsambo lehibe ao amin' ny Fanjakan' i Karnataka any India. Eo anelanelan' ny Ranomasin' i Arabia sy ny Ghats Andrefana no misy azy eo amin' ny 352 km any andrefan' i Bangalore, renivohitr' ilay fanjakana, 20 km avaratry ny sisintany Karnataka–Kerala, 297 km atsimon' i Goa. Mangalore no hany tanàn-dehibe ao amin' ilay fanjakana manana ny fomba fitaterana efatra — ana habakabaka, an' arabe, an-dalalamby ary an-dranomasina. Ny isan' ny mponiny dia 619.664 araka ny faminavinana nasiônalin' i India tamin' ny taona 2011. Fantatra fa izy dia iray amin' ny toerana misy ny tahirin-tsolika stratejika indiana. Ny kaodim-paositra dia 575001 hatramin' ny 575030.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Ny misy an' ilay tanàna amin' ny haavon-dranomasina dia 22 m. Ny laharam-pehintaniny ary ny laharan-jarahasiny dia 12.87° Avaratra ary 74.88° Atsinanana. Ny faritr'ora dia GMT+5:30.

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]