Hankany amin'ny vontoatiny

Magma

Avy amin'i Wikipedia
Magma

Ny magma dia vato mitsonika ao anatn' ny Tany, indrindra ao amin' ny akanjon-tany na amin' ny hodi-tany, izay misy vato sy etona ary mineraly miempo. Misy ranoka mafana be, eo anelanelan' ny 700 °C – 1 300 °C na mihoatra. Misy etona mivangongo ao anatiny (toy ny eton-drano, CO2, SO2). Mety misy mineraly efa mivaingana ny ao anatiny. Ao amin' ny akanjon-tany (sosona ambanin' ny hodi-tany) ny magma.

Miforona ny magma rehefa mitsonika ny vato ao amin' ny akanjon-tany na ao amin' ny hodi-tany vokatry ny hafanana be, ny fihenan' ny tsindry, na noho ny fisian' ny rano sy etona mampihena ny tebo-pitsonihan' ny vato.

Raha mivoaka eny ambonin' ny tany amin' ny alalan' ny afotroa izy dia antsoina hoe vatomiempo na lava. Raha mivoaka ka mivaingana tampoka ny vatomiemo dia miteraka vato volkanika (ohatra: bazalta, andesita). Raha mijanona ao anatin' ny Tany ny magma dia mivaingana tsikelikely ka miteraka vato plotônika (ohatra: granita).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]