Lohasahan' i Jezreel

Avy amin'i Wikipedia
Ny Lohasahan' i Jezreel

Ny Lohasahan' i Jezreel na Lohasahan' i Jezirela (antsoina koa hoe Lemak' i Esdrelon) dia lohasaha midadasika any amin' ny tapany avaratr' i Israely, izay nomena anarana mampahatsiahy ny tanànan' i Jezreel (na Jezirela) izay eo amin' ny havoana iray any atsimon' ilay lohasaha. Ny Lohasahan' i Jezreel dia anisan' i Galilea (na Galilia) ao amin' ny Distrika Avaratra any Israely.

Amin' ny teny hebreo izy dia ata hoe עמק יזרעאל / Emek Yizreel.

La vallée de Jezreel est le lieu d'importantes implantations humaines, anciennes et modernes. L'ancienne ville de Megiddo se situe dans le sud-ouest de la vallée. La plus grande ville moderne est la ville de Afoula aussi appelée « Capitale de la vallée ».

Ny Lohasahan' i Jezreel no nisy toeram-ponenan' olombelona fahiny sy ankehitriny. Any atsimo-andrefan' ilay lohasaha no misy ny tanànan' i Megidô fahiny. Ny tanàna môderina lehibe indrindra dia ny tanànan' i Afoula, antsoina koa hoe "Reniben' ny Lohasaha".

Ny Lohasahan' i Jezreel, ho an' ny Kristiana, no toerana hisy ny adin' i Hara-magedôna amin' ny hoavy.